Politique

Marc Ravalomanana Sabotsy mifankahita e !


  • Alakamisy 19 Janoary 2012

«Ho tombontsoam-pirenena dia miantso ny Malagasy rehetra izay mahatsapa fa latsaka an-katerena ny firenena hiaraka hisalahy amin’ny famerenana ny ara-dalàna sy ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena», hoy i Marc Ravalomanana raha niditra nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tetsy amin’ny kianjan’i Magro omaly tolakandro, araka ny fotoana efa nomeny andro vitsy lasa izay fa tsy hidila tamin’iny alarobia iny ny hilazany ny andro hiverenany an-tanindrazana.

 «Efa mazava avokoa ny zavatra rehetra, efa vonona ny fandraisana anay any Madagasikara ka ho tonga izahay amin’ny sabotsy ho avy izao», hoy ihany ny filoha Ravalomanana. Nambarany tao Antsirabe koa io raha niditra nivantana nandritra ny hetsiky ny zanak’i Dada tao amin’ny Magro Avaratsena ny tenany omaly. Anisan’ny lehibe indrindra ny fifamelana ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Ny fahatongavanay amin’ny sabotsy dia manamafy sy manamarina ny sori-dalana, hoy izy. Mizaka ny zom-pirenena Malagasy izahay ary ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona izany.

Hijery ny ankehitriny sy ny hoavy isika, hoy ihany izy, tsy hifanenjka na hifankahala. Ankoatra izay dia niantso ireo mpitandro ny filaminana ny tenany mba haneho tokoa ilay hoe miaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny tanindrazana. «Matoky aho fa olon-kendry ianareo», hoy i Marc Ravalomanana izay niantso ny mpomba azy koa hitandrina manoloana ny mety ho fanakorontanana. Raha ny vaovao dia eny amin’ny Kianjan’ny Magro ihany no hilazana sy hakana ireo toromarika ho fitsenana ny filoha. Ranomasom-pifaliana moa no nitsenan’ireo mpanara-dia sasany izany tenin’ny maherifony izany, nisy mihitsy aza ny safotry ny hafaliana. Ireo avy amin’ny Faritra 22 dia hitsena an’i Marc Ravalomanana avokoa ny sabotsy izao. Hisy ny fandaminana manokana eo amin’ireo samy mpitolona. Ao anatin’izany ny fampiantranoana ireo avy any amin’ny Faritra. Amin’ity alakamisy ity dia haroso amin’ny 10 ora ny fotoana hifampitana vaovao eny an-kianja sy hitrotroana am-bavaka ny fodian’i Dada sy ny ankohonany, araka ny fandaminana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT