Vahinin’ny “Vitrine du Vakinankaratra” omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Tsara ny hetsika toy itony satria ahafahana mifanakalo hevitra sy traikefa hoy izy. Mikasika ny fampihodinana ny orinasa Tiko dia nambarany fa tsy tokony ho toy izao ny vokatra vokarin’ny Tiko raha avela hiasa an-kalalahana izy ireo satria ny orinasa AAA dia manofa fotsiny ny fitaovan’ny Tiko. Tsy mbola afaka manodina izany zato isan-jato anefa izy ireo. Mikasika ny fanovana governemanta indray dia nambaran’ity filoha teo aloha ity fa io no nataon’ny mpitondra dia efa io izany no eo, na izany aza “tsy fanovana no nitranga fa famadihana toerana ka tsy hisy zavatra hiova firy izany eo !”. Ny fampihavanam-pirenena moa dia nambarany fa mampiteny ny moana ary mampimenomenona ny maro satria tsy dia ahavita inona firy ireo 33 mianadahy voatendry handrafitra ny CFM ireo. Taorian’ny fitsidihana ny “Vitrine du Vakinankaratra” teo anoloan’ny garan’Antsirabe dia niara-nankalaza ny faha-15 taonan’ny antoko TIM niaraka tamin’ny mpiaradia tonga maro tao amin’ny tranon’ny Tiko tao Vatofotsy izy ireo, na dia tampoka aza ny nifampiantsoana. Nandritra izany no nanomezan’i Marc Ravalomanana fiofanana sy toromarika hatrany ireo mpitarika ny antoko any amin’iny faritra iny. Naneho ny fahavononany hanohana sy hiara-dalàna, ary indrindra hampandany an’i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ny mpikatroka rehetra. Fotoana izany sisa andrasana, fa raha ny any amin’iny faritra Vakinanankaratra iny, dia efa naman’ny mazava ny safidy satria mihetsiketsika sy mavitrika ny TIM any an-toerana. Maty lolo ny adversera politika manoloana ny fihetsik’Atoa Marc Ravalomanana, satria dia henika azy i Madagasikara, maro rahateo no maniry hihaona aminy. Lazaina indray ankehitriny, indrindra fa taorian’ny nitsanganan’ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM) ny hoe fananan’Atoa Marc Ravalomanana dosie maloto sy olana ara-pitsarana. Voizin’ny sasany fa tsy tokony hahazo famelan-tsazy Atoa Marc Ravalomanana, mba tsy hahafahany mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Anaovana resabe aza tao ho ao, fa olona efa nohelohin’ny Fitsarana i Marc Ravalomanana, ary ambara fa mbola manana dosie maloto.
Caius R. sy Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.