Efa mikarakara sy mijery ny paikady ny amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ny SADC sy ny Troika amin’ity herinandro.
Nivoitra izany nandritra ny tafa mivantana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny hetsika nokarakarain’ny Zanak’Alaotra Miray ny sabotsy 06 aprily teo tao Ambatondrazaka. Aza matahotra ianareo fa na lavitra aza aho dia ny foko eo akaikinareo mandrakariva. Matokisa ahy ianareo fa tsy hanary ny vahoaka Malagasy aho, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Hamafiso ny fitakiana ny ara-dalàna. Raha misy mampiahiahy aza misalasala miantso fa misokatra ho an’ny Malagasy rehetra ny tenako. Hamafiso ny firaisankina fa izay ihany no hahafahantsika mandroso. «Reko fa PDS-n’Antananarivo no kandidan’ny sasany. Aza maika amin’izay kandida fa raha tsy tonga any i Dada tsy manendry izay ho kandida”. Aza maikamaika fotsiny fa tsy maintsy ho avy ny tenako», hoy izy. Notsiahiviny koa fa efa nisy fotoana nifampitafany tamin’ny mponina Ambatondrazaka ary dia io izy nitafa tamin’ny vahoakan’ny Faritra Alaotra io indray. Hoby sy tehaka hatrany no nasetrin’ny vahoaka azy isaky ny niato ny fandraisany fitenenana. Efa somary maizina ihany ny andro tamin’io fotoana nidiran’ny filoha Marc Ravalomanana an-telefaonina nivantana avy any Afrika Atsimo io fa saingy samy liana tamin’izay nambarany ny rehetra.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.