Efa notaterina teto fa anisan’ireo olona enina voatsonga amin’ny fifaninanana “African of the Year 2017” na “Olon’i Afrika 2017” ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Voafantina hifaninana aminy i Julius Malema, filohan’ny antoko Economic Freedom Fighters (EEF) izay nisintaka tamin’ny African National Congress (ANC) ao Afrika Atsimo. Ellen Johnson Sirleaf, vehivavy voalohany filoham-pirenen’i Liberia ary efa niasa tao amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena tany Washington (Etazonia). Abubakar Bukola Saraki, lehiben’ny Antenimieramdoholonaany Nizeria, mpitsabo ary efa filohan’ny Antenimierandoholona nizeriana ny rainy fahiny. Eo ihany koa i Uhuru Kenyatta, filoha kenianina ankehitriny izay voafidy indray taorian’ny fifanolanana izay nahitana ny Fitsarana avo tany an-toerana nandrava ny fifidianana voalohany noho ny hosoka, ary rehefa naverina dia mbola ny filoha am-perinasa Uhuru Kenyatta ihany no lany satria nidongy velona tsy nety nandray anjara tamin’ny fifidianana intsony i Raila Odingananambara fa mbola “hosoka faona ny fifidianana”. Na izany aza dia nanaiky ny hamerenana ny fifidianana i Uhuru Kenyatta, izay zanak’i Jomo Kenyatta rain’ny fahaleovantenan’i Kenya nogadrain’ny Britanika mpanjanaka taona maro. Izy ireo moa izany dia notsongaina noho izy ireo “nanamafy ny demokrasia sy soatoavina demokratika sy ny fahazamitarika teto amin’ny kontinanta afrikanina”. I Marc Ravalomanana no mitarika vonjimaika aloha izao ary manarakaraka azy i Uhuru Kenyatta. Any aoriana lavitra ireo telo hafa. Ny mahatsikaiky, eny mampalahelo mihitsy aza, anefa dia ny mahare fa dia manohana an’ny filoha kenyana ry zareo eo amin’ny fitondrana eto Madagasikara. Fialonana no fahitana an’izany satria tsy misy mpankasitraka. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa, ilay adversera n°1 indray ity no malaza. Misy mampirisika ve ry zareo ireo mba hampihen-danja an’i Marc Ravalomanana satria ireto hanome loka sy mpifaninana dia “Anglophones” (mpiteny anglisy) avokoa ? Ny zavatra azo antoka dia fandresena mialoha ho an’i Dada ity “Olon’i Afrika 2017” ity ary manokatra sahady ny lalany amin’ny fifidianana 2018 koa efa “mihorohoro” ny sasany ! Naleon’izy ireo manohana vahiny “Uhuru” Kenyatta toa izay Malagasy ohatr’azy. Raha tokony ho reharehan’ny Malagasy rehetra sy Madagasikara manontolo ny manana Malagasy misongadina aty Afrika izany, ka tokony hotohanana, Ravalomanana rahateo no hany misolotena an’i Afrika miteny frantsay sy ireo zanatany frantsay teo aloha amin’io fifaninanana kaontinantany io, i Madagasikara rahateo izao no filoha mitarika ny vondrona Frankôfônia, dia ny mifanohitra amin’izany ny an’ny HVM. Atao amin’ny fomba rehetra ny haminganana sy hanakonana an’i Marc Ravalomanana sao malaza ka hanahirana amin’ny fifidianana ho avy. Marc Ravalomanana anefa ity no toy ny volamena latsaka am-bovoka, ... vao mainka mamiratra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.