Politique

Marc Ravalomanana “Ny tondrozotra asiam-panitsiana ihany”


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Nandritra ny hetsika ny sabotsy 27 aogositra 2011 teo dia nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’Antsirabe ny filoha Marc Ravalomanana.

Tamin’izany no nanambarany fa tsy maintsy mipetraka ny tetezamita tena izy ary efa eo am-pamaritana ny fomba hametrahana izany ny Troïka izay tarihin’ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma. Mialoha izay, hoy ihany ny tenany dia tsy maintsy atao ny sonian’ny tondrozotra nasiam-panitsiana ka ao anatin’izany ny tsy maintsy hodianay rehetra mpanao politika aty an-tsesitany. Notsipihiny mafy mihitsy fa tsy misy ny sonia raha tsy tafody izahay ary tanterahana ny tapaka tany Sandton sy ny tany Addis Abeba vao miresaka.

Mbola nohamafisiny sy naveriny ihany ny hoe : “aza fitahina ny vahoaka fa hitondra korontana aho, satria tsy manam-potoana hieritreretana izany aho !”, hoy izy fa ny tombontsoan’ny firenena sy ireo vahoaka mijaly sy very asa ireo no mampalahelo ahy ary raha ny zava-misy, hoy izy dia tsy izaho no manao ramatahora sy mampihorohoro fa mbola ireo olon’ny FAT ireo ihany amin’izao fotoana izao. Efa natoky ny fianakaviambe Iraisam-pirenena isika ka tokony hatoky azy hatrany satria tsy afaka miala aminy isika amin’ny asa fampandrosoana izay atao na ho an’ny tantsaha na ny fampianarana ary indrindra ho an’ny fahasalamana.

Tokony hapetraka manomboka izao ny firaisankina sy fifampitokisana ary mifanao teny maharary satria efa tsy mahita ny lalana alehany intsony ny vahoaka madinika izay maro an’isa. Nanamafy ny tenany fa tsy hamela ny Malagasy hijaly ary tsy mijanona raha tsy miverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara”. Marihina moa fa mitohy hatrany ary tsy mbola miato mihitsy ny hetsika ao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe isaky ny alarobia sy sabotsy ary hita fa efa mahazo aina tsara ireo mpitolona. Hita ihany koa fa manomboka miverina mijoro avokoa ireo rantsana Legalista samihafa ary efa mifanome aina amin’ny fanomanana ny fitsenana an’ny Filoha Marc Ravalomana avokoa izy rehetra.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT