Mialoha ny andraisan’ireo depiote ny andraikiny dia hofanina ho matihanina amin’ny politika ireo kandidan’ny TIMK25, mba tsy ho depiote tsangan’olona sy mpikatsaka tombontsoa manokana fa tena hikatsaka ny soa iombonana.
Ireo kandida avy any Toliara no miofana 2 andro eny amin’ny foiben-toerany eny Bel’Air, ka nandray azy ireo sy nitsodrano azy ny filoha nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana omaly. Tsy maintsy atao izay hahatonga ny fanaovana politika eto Madagasikara ho “International” mba tena hitovy amin’ireny any ivelany ireny, toy ny Demokraty sy Repoblikanina any Etazonia, ohatra, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana. Homena traikefa feno momba ny etika politika, ny fitondran-tena iainana, ny tanjona sy tombontsoa iombonana,… Izany no hifandraisana amin’ny any ivelany tahaka ny any Alemaina, izay hisy olona halefa hanovo traikefa any. Miara-miasa amin’ny African Pacifique Caraibe (ACP) ihany koa ny TIMK25 eo amin’io sehatra io, izay mivoy fa mafonja kokoa ny fangatahana sy fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny parlemantera. Hevitra sy asa izay iombonana no hotanterahina mba hahasoa ny vahoaka miara-monina amin’ilay solombavambahoaka. Mila miara-miasa tsara, araka izany, ny ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka, ka tsy hisy izany tsy handroso izany ny faritra na ny distrika raha tena marin-toerana io. Hasiana fifaninanana amin’izy ireo amin’ny fampandrosoana. Mipetrapetraka eo ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fampandrosoana tena izy. Hanao rodoben’ny mpanangana satria manana vinam-piarahamonina hanasoa ny vahoaka, hoy izy. Notsindrian’i Marc Ravalomanana fa ny atao hoe politika dia ireo hevitra sy asa mifandray amin’ny fomba fitantanana firenena iray na faritra iray na distrika iray Ao ny fandraisana fanapahan-kevitra azo ampiharina ho amin’ny tombontsoa iombonana. Ny fampiharana ny foto-kevitra dia tsy vitan’ny depiote iray fa mila mivondrona ny rehetra ka nanamafy i Marc Ravalomanana, fa manana foto-kevitra iraisana ny ao anatin’ny TIM. Ny zava-misy hatramin’izay dia ny tsy miankina no betsaka lany, izay manana ny politika mijery ny tenany manokana aloha, ka izany no tsy mampisy fitoniana ho an’ny fanjakana satria tsy voafehy sy samy mitady ny tombontsoany, ka tena harenina ny antenimieram-pirenena tsy hisian’ny zavatra mamohehitra toy ny fizarana malety.
Dingana sy resaka hafa manokana indray aorian’ny fifidianana ny fandraisana na fiarahana amin’ireo avy amin’ny Vovonana hafa tahaka ny Dinike misy olona tao anatin’ny TIM sy/na olon’ny TIM tsy lany tamin’ny sivana ka tsy nanaja ny fitsipiky ny antoko lasa nandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana ka lany, raha nanontaniana ny momba izay i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.