Politique

Marc Ravalomanana Nohetsehina indray ny didy fampisamborana azy


  • Talata 20 Septambra 2011

Misafotofoto be ihany ny fandehan’ny raharaham-pirenena taorian’ny fahavitan’ny sonia ilay tondrozotra teny Ivato ny 17 septambra 2011.

 Asa na fifanandrifian-javatra na kisendrasendra fa herintaona katroka nialoha io koa no nanatanterahan’ny FAT fihaonambem-pirenena, izay nankininy tamin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana ny fanatanterahana azy, raha ny Troika SADC kosa no nanao fanelanelanana ka nahatongavana tamin’ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra farany ity. Ny voamarika tamin’ity indray mitoraka ity, tsy nampiraika firy ny olona ny fahavitany. Na tamin’ny mpomba ny FAT na ireo mpiara-dia tamin’ny Ankolafy telo dia tsy hita soritra loatra ny fientanam-po fa ny ahiahy aza no betsaka, ary fanontaniana no mibosesika. Hohajaina ve ny sonia, ary hotanterahina ve iny tondrozotra iny ? Vao mainka mampitombo ny ahiahy sy fisalasalana rahateo ny fisian’ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny FAT, mahakasika ny filoha Marc Ravalomanana tao anatin’ny 72ora monja, raha efa adihevitra ary saika nampikatso ny dinika notarihin’ny Troika mihitsy aza ny andininy faha-20 tao amin’ilay tondrozotra. 15 septambra 2011 : nivoaka ny NOTAM mampahafantatra ireo kaompaniam-pitaterana ana habakabaka tsy hitondra an’Atoa Marc Ravalomanana hiditra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, fa mitarika fikorontanana, hono (?) Manan-kery hatramin’ny 15 desambra 2011 io fepetra io. 17 septambra 2011 : nohetsehina indray ireo didy fampisamborana an’Atoa Marc Ravalomanana.

Efa tamin’ny martsa sy aogositra 2010 no nivoahan’ireo didy ireo, saingy nangingina tao, fa rehefa nanaiky hanao sonia ilay sori-dalana, izay natovana fanazavana ao amin’ilay andininy faha-20 fa tsy mitsabaka amin’ny fahaleovantenan’ny fitsaran’ny tany mpikambana ao aminy ny SADC, dia nofohazina indray. Niainga tao amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambony ny taratasy ny sabotsy 17 septambra 2011, andro nahavitan’ny sonian’ilay sori-dalana indrindra, ary voasonian’ny Procureur général, Rakotonavalona Ranary Robertson, nalefa any amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny Tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ary nampahafantarina ny minisitry ny fitsarana sy ireo sampan’ny fitsarana ambony isaky ny Faritany ary ireo mpitandro ny filaminana voakasik’izany, io andro io ihany. Milaza io taratasy io fa dia hosamborina avy hatrany ary hapetraka amin’izay fonja akaiky indrindra ny toerana nahasamborana azy Atoa Marc Ravalomanana raha vao migadona eto Madagasikara. Raha nikabary moa i Andry Rajoelina, ny alahady 18 septambra, alina dia nilaza fa manaiky sy mankato ny sonia ny tondrozotra.

Koa mipetraka ihany eto ny fanontaniana hoe : ity fisamborana ity ve no tiany hahatongavana amin’izany ? Omaly anefa, raha nanontanian’ny mpanao gazety ao amin’ny radio frantsay, RFI, mikasika io mety ho fisamborana azy io ny filoha Marc Ravalomanana, dia nanambara tamin’ny teny feno fahatokisan-tena fa tsy misy mampanahy na mampatahotra azy velively ny amin’izany. Aminy dia fitondrana tsy ara-dalàna no misy eto, ary fitsarana tsy mahefa no namoaka ny didy, ka tsy mahasakana azy tsy hiverina an-tanindrazana ary efa manomana izay fiverenany izay rahateo izy ary hirotsaka hofidiana ihany koa. “Tsy nisy ratsy nataoko tamin’ny fireneko”, hoy izy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT