Mitohy ary manao ranolava ny fanehoan-kevitra manodidina ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier, na eo amin’ny firafiny izany, indrindra moa fa ny amin’ireo minisitra notendrena handrafitra azy.
Fa anisan’ny misarika ny saina amin’ny firafitr’io governemanta vaovao io toy ireo rehetra nijoro nialoha azy taorian’ny fanoganam-panjakana tamin’ny 2009, dia voatazona hatrany ny ministeran’ny rano. Mody nampiana fahadiovana sy fidiovana fotsiny nony taty aoriana. Tsaroan’ny rehefa anefa fa tamin’ny fitondrana Ravalomanana, governemanta Rabemananjara Charles no nananganana voalohany ho minisitera iray mahaleotena ny misahana ny rano, raha foibem-pitondrana teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny rano sy ala hatrany izy taloha. Taorian’ny fihaonana an-tampony momba ny rano natao tany Stockholm (Soeda) tamin’ny taona 2008 no nampijoroana ny minisiteran’ny rano tao anatin’ny governemanta Rabemananjara Charles, ka Rasolofoniaina Jean donné no minisitra voalohany nampisahanana azy. Fanamby lehiben’ny fitondrana Ravalomanana tao anatin’ireo vina noraketin’ny MAP (Madagasika Am-perinasa) ny famatsiana rano fisotro madio ny mponina eto Madagasikara mifandraika amin’ny Tanjon’ny taona arivo fahatelo. Goavana ny famatsim-bola azon’i Madagasikara momba azy io, noho ny ezaka makadiry tsy maintsy tanterahina eto mikasika momba io famatsiana rano fisotro madio sy ny resaka fahadiovana sy fidiovana io, izay isian’ny tetikasa ady amin’ny fangerena ankalamanjana voizina tato ho ato. Nolovain’ny governemanta nifandimby io minisiteran’ny rano napetrak’i Marc Ravalomanana io, na eo aza ny fanenjehana an’ity farany. Fa zavatra iray anisan’ny nisarika ny sain’ny mpamakafaka politika ihany koa ny nietren’ny voninahitry ny filoha nasionalin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), Rakotovao Rivo. Nitotongana any amin’ny laharana fahatelo no misy azy ankehitriny raha ny arofenitra eo anivon’ny governemanta no zohina. Any aorian’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier sy ny minisitra eo anivon’ny fiadidina any Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoha, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Rafidimanana Narson. Tsy vitan’izay fa efa mba minisi-panjakana ihany Rakotovao Rivo tamin’ny governemanta teo aloha, no izao nivarina ho minisitra eo anivon’ny fiadidiana any Repoblika misahana ny fambolena sy ny fiompiana izao. Fahafaham-baraka no nahazo azy sy ny ny HVM manontolo raha nailika tanteraka tao anaty governemanta izy, satria dia hioraka ny maro hoe : masin-teny i Marc Ravalomanana nilaza fa Rakotovao Rivo no hanimba sy hanaratsy io fitondrana Hery Rajaonarimampianina io, noho ny ataony taorian’ireny fifandroritana tsy mety vita mikasika ny tany eny Andohatapenaka ifanaovan’ny orinasa TIKO an’i Marc Ravalomanana sy ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisi-panjakana Rakotovao Rivo. Na izany aza dia mihevitra ny maro fa izao famindran-toerana an’i Rakotovao Rivo izao dia midika fa nohenoin’ny Fanjakana ny tenin’i Marc Ravalomanana ary fandresena ara-politika ho azy izany. Farany, tsy tokony hohadinoina fa nandritra ny fitondrana Ravalomanana no nametrahana rafitra tahaka ny Bianco, Samifin, EDBM, ny fomba fiasa “Guichet Unique” izay samy mbola miasa avokoa satria tsapan’ireo mpitondra nifandimby fa tena ilain’ny firenena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.