Politique

Marc Ravalomanana Nohamafisina ny fiarovana ny ainy


  • Alatsinainy 17 Septambra 2012

Betsaka ny resaka nandeha sy niniana novoizina momba an’i Marc Ravalomanana tamin’iny herinandro lasa iny. Tao ireo nilaza fa nogiazana ny pasipaorony, tsy afaka hivoaka ao Afrika Atsimo koa ny tenany.

 Ny sabotsy teo moa dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa dia nohamafisina ny fiambenana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, mialokaloka any Afrika Atsimo efa ho efa-taona izao taorian’ny nanonganan’i Andry Rajoelina sy ny ampahany tamin’ireo miaramila azy. Herintaona izao no naneken’i Andry Rajoelina tamin’ny alalan’ny sonia ny tokony hiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana saingy hatramin’izao, lasa ihany ny 12 volana dia tsy mbola tanteraka izany ary dia sakanana amin’ny fomba rehetra mihitsy aza ny fiverenany eto. Naely avokoa ny tsaho sy ny atsanga tsy aman’orana rehetra na dia voalaza ao anatin’ny sori-dalana aza fa mahazo miverina avy hatrany tsy misy fepetra ny tenany.

Tsy kilalaon-jaza, hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny Faritany Toamasina, izany hoe Marc Ravalomanana izany, indrindra eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena. Matoky ny SADC amin’ny fitondrana ny raharaha hamahana izao krizy izao izahay, hoy i Zafilahy Stanislas. Troika-SADC, tarihin’i Tanzania izay tsy handefitra mihitsy fa tsy maintsy handray fepetra hentitra. Araka ny fanazavany moa dia tokony ho nitafa tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ireo mpanara-dia azy tetsy amin’ny Magro Behoririka i Marc Ravalomanana ny sabotsy lasa teo saingy noho ny fandaminana amin’ny fanomanana ny fodiany dia tsy afaka nanantanteraka izany ny tenany. Momba izay fodian’i Marc Ravalomanana sy ny filatsahany hofidiana moa dia nambaran’i Zafilahy Stanislas ihany fa tsy maintsy hahafeno ny fepetra, enim-bolana mialoha ny fifidianana i Marc Ravalomanana.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT