Nandalo tany amin’ny oniversiten’i Harvard Atoa Marc Ravalomanana nifanakalo hevitra tamin'ireo mpampianatra mikasika ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny fomba hitondrana sy ahitana ny famatsiana ny MAP (Madagasikara am-perinasa).
Nitsidika ny toeram-pikarohana ambony ao amin’ity oniversite sangany indrindra maneran-tany ity koa izy. Ao Cambridge, tanànan’i Boston –Massachussets moa no misy ny oniversiten’i Harvard izay antitra indrindra any Etazonia satria feno 380 taona amin’ity 2016 ity. Mpianatra 70 avy ao amin’ity oniversite ity no efa nandrombaka ny loka Nobel. Olona fanta-daza efa nianatra sy niofana tao ihany koa ny filoha amerikanina am-perinasa Barack Obama sy ny teo alohany George Bush. Nianatra tany Harvard ihany koa ny filoha Frantsay teo aloha Jacques Chirac, Ying-jeou filoha faha-6 nitantana an’i Chine. Nandalim-pahaizana tao Harvard University ihany koa, ohatra, i Bill Gates (Microsoft) sy i Mark Zuckerbeg izay namorona ny facebook. Ankoatra ireo dia nisy koa ny mpilalao sarimihetsika tahaka an’i Tommy Lee Jones, Matt Damon ary Nathalie Portman izay mpianatr’i Harvard. Tsy ny olon-drehetra no afaka miditra any fa ireo izay tena mahay sy mahiratra. Na tsy nandranto fianarana tany aza Atoa Marc Ravalomanana dia efa ela no nifanakalo traikefa sy nifandray tamin’ny oniversiten’i Harvard. Tsaroana eto ny nahatongavan’ny Pr Dean Williams teto Madagasikara, izy izay manampahaizana manokana avy ao Harvard momba ny leadership ary niara-niasa akaiky tamin’i Marc Ravalomanana fony izy filoham-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.