Politique

Marc Ravalomanana Nitondrana basy tao Tsiroanomandidy


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Nanatrika ny isan-taona faha-126 eo anivon’ny Fiangonana FLM any amin’ny Synaodam-paritany Avaratr’i Mania tao Antanambao-Antsirabe II ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy teo.

 

 Nitohy tamin’ny fiatrehana ny fanompoam-pivavahana famaranana ny fivoriambe faharoa fanao isan-taona sy ny jobily fisotroan-dronono sy fanaovam-beloma ny Prezida Synodaly Rakotonirina Edmond Mpitandrina mivady tany Tsiroanomandidy izany omaly alahady 10 septambra. Nizotra an-tsakany sy an-davany ny diany tamin’ireo. Nisy kosa ny indro kely tamin’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Antoko TIM tao Tsiroanomandidy. Nirohotra namonjy ny toerana nanamarihana izany ny mpikatroka maro be. Rehefa hita fa nihamaro ny olona dia tonga ny antsojay, izay heverina ho baiko avy amin’ny fanjakana indray. Tsy navelan’ny zandary tao an-toerana niditra tao amin’ny trano tokony ho nankalazana ny tsingerintaona ny mpikatroka Tiako i Madagasikara izay nihevitra hanatrika ny fihaonana, raha ny fampitam-baovao. Ireo efa tao anatiny moa tsy afaka nivoaka intsony koa, fa niatrana am-bava basy indray ny mpitandro ny filaminana. Noporofoin’ny olona hatrany anefa ny fitiavana sy fanohanana an’i Marc Ravalomanana na nisy aza ny sakantsakana. Mihantsy ady hatrany ny fanjakana, saingy olon-kendry sy tsy tia korontana i Marc Ravalomanana, ary ny lalany ihany no tohizany, dia ny fanomanana ny fanarenana ny firenena, izay potika sy rotika tanteraka. Kendrena mihitsy ny handrangitra an’i Marc Ravalomanana mba hahatonga azy hihoa-pefy hahafahana misambotra na managadra azy, saingy tsy mahomby ny tetika maloto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT