Politique

Marc Ravalomanana Nirary soa ho an’ny Malagasy rehetra


  • Alatsinainy 26 Desambra 2016

Niara-nankalaza ny krismasy fandresena tamin’ny kristianina tao amin’ny FJKM Imerinkasinina Fanasina omaly ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady.

Fiombonan’ny fianakaviana ny fotoana toy izao, ka vory lanona teny an-toerana ihany koa ny ankohonany tamin’io nanatrika fanompoam-pivavahana sy ny fandraisana fanasan'ny Tompo. Nisy ny fandraisany fitenenana nirariany soa ho an’ny mpino sy ny Malagasy rehetra. Amin'ny maha filoha nasionalin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara azy, dia nanentana ny kristianina ihany koa i Marc Ravalomanana ny maha zava-dehibe ny tsangambato izay hatao. "Manomboka amintsika Kristianina no mijoro amin’ny marina ary isika no kintana fitarihana ny olona hahitana ny Mpamonjy, toy ireo Magy. Ny lalana marina sy mahitsy no tokony hatorontsika ny olona", hoy izy.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT