Politique

Marc Ravalomanana Nifampidinika tamina mpandraharaha Indianina


  • Alatsinainy 15 Febroary 2016

Tany Hyderabad tanàna lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’i Telangana any Inde ny faran’ny herinandro teo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 

 Ankoatra ireo toerana manan-tantara ao aminy dia nisongadina amin’ny resaka fandrosoana haingana dia haingana ity tanàna ity. Misy ny traikefa tsara tovozina any ary dia nisy ny fihaonan’i Marc Ravalomanana tamina tompona orinasa vitsivitsy. Tsy azo adinoina fa efa tena lasa lavitra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny teknolojia ny Indianina fa tsy hoe mpivarotra fotsiny araka ny hita mahazatra amin’ireo teratany Karana eto amintsika. Na ny orinasa goavana tandrefana tahaka ny Mercedes Benz sy ny Microsoft aza dia manana ozinina any Inde avokoa. Ankoatra io dia manana traikefa efa tena mafonja amin’ny resaka fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry koa ity firenena ity, efa manomboka lasa lavitra amin’ny resaka fandidiana ihany koa ary maro ny olona maneran-tany no mitsabo tena any, eny fa na ny Eoropeanina sy ny Amerikanina aza.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT