Politique

Marc Ravalomanana Niantso ny Malagasy hilamina


  • Zoma 03 Febroary 2012

In-droa niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana tato anatin’ny efatra andro.

Nisongadina tao anatin’ireo antsony ireo ny nanamafisany ny fodian’ny andefimandriny eto an-tanindrazana, rehefa sesitany tany Afrika Atsimo nandritra ny telo taona izao, mandra-piandry izay fandaminana sy fikarakaran’ny SADC amin’ny fodiany. Niantso ny Malagasy ny tenany omaly mba hilamina mandrakariva. Araka ny fanazavany dia anisan’ny hafatra nampitondrain’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana ary mpamatsy vola taminy tamin’ny diany tany Addis Abeba ny tokony hamerenana ny filaminana sy fandriampahalemana eto Madagasikara fa vonona hanampy izy ireo. Eo koa ny famerenana ny fifampatokisana amin’ireo mpiray ombon’antoka. Ankoatra izay dia nanamafy koa i Marc Ravalomanana fa tsy hitsahatra ny tolona raha tsy miverina amin’ny laoniny ny fiainana eto Madagasikara, raha tsy tafapetraka eto ny demokrasia, ny fahalalahana miteny ary eo koa ny famotsorana ireo gadra politika. Fotoana hanarenana an’i Madagasikara rahateo izao, hoy ihany izy.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT