Politique

Marc Ravalomanana Niantso ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena manoloana izao voina izao


  • Zoma 17 Febroary 2012

Nitafa mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy atsy Afrika Atsimo tamin’ny vahoakan’ny Disitrikan’i Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana, Atoa Marc Ravalomanana omaly alakamisy 16 febroary, nankahery ny Malagasy rehetra niharam-boina sy nanehoany fiaraha-miory tamin’ireo namoy ny havany noho ny rivodoza farany teo.

 «Tsy mandry ny saiko sy ny foko mieritreritra ny zava-manjo anareo satria tsapako fa efa mafy ny fianjadian’ny krizy lavareny misy izao noho ny afitsoky ny mpanao politika sasany izay feno fitiavantena ka hadino ny laharampamehana eo amin’ny fiahiana ny vahoaka. Manao antso avo amin’ny Malagasy ny tenany mba haneho ny firaisankina ka hanampy ireo tratry ny voina ho mariky ny fifankatiavana sy ny fihavanana maha Malagasy. Raha tena manana traikefa ry zareo FAT dia tokony hahita vahaolana haingana fa tsy avela hiraviravy tanana toy izao ny Malagasy mpiray tanindrazana, hoy ny filoha Ravalomanana. Nanambara moa ny tenany fa tsy hamela irery ny Malagasy fa hitady fanampiana ho anan’ireo traboina ary dia nanao antso avo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indrindra ireo mpamatsy vola mba hanampy ny Malagasy manoloana izao loza izao. Nandritra ny fihaonambe nokarakarain’ny Vondron’Olon-tsotra manohana an’i Marc Ravalomanana mba hamondronan-kery sy fifampiharambana nahatratra ny taona vaovao 2012 tao Vangaindrano no nanambarany izany sy nanamafisany fa ho avy tsy ho ela eto an-tanindrazana ny tenany.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT