Politique

Marc Ravalomanana Nanome toromarika ny TIM


  • Zoma 22 Martsa 2013

Manao tohivakana ny hetsika fifampiarahaban’ny Zanak’i Dada nahatratra ny taona manerana ny Nosy.

 Omaly alakamisy 21 martsa dia anjaran’ny TIM Avaradrano indray no namita ny anjarany teny amin’ny Espace Volamiandry eny Ambatolampikely Ambohimalaza. Fizarana ny mamy sy ny nofonkena mitam-pihavanana niaraka tamin’ny korana sy dihy no teny an-toerana. Tonga nanome voninahitra ny hetsika ny filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Me Hanitra Razafimanantsoa sy Atoa Guy Rivo Andrianarisoa mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana notronin’ireo parlemantera notarihan’ny CT Ravelonanosy Mamy Tiana izay mpandrindram-paritry ny TIM ao amin’ny manodidina an’Antananarivo, ireo olom-boafidy TIM eny Avaradrano sy ireo mpikambana tsotra ihany koa. Hafatra fohy nentin’Atoa Guy Rivo avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny tokony hananan’ny mpitolona TIM fanetren-tena. Tsy mba fanadino ny lasa, hoy izy, fa amin’izany no fakana lesona hanitsiana ny hoavy mamirapiratr’ity Nosy ity.

Aoka tsy horebirebin’iza n’iza ny saina. Matokia ny filoha Marc Ravalomanana fa tafaverina an-tanindrazana izy vao manolotra olona hofidiana ny Ankolafy Ravalomanana, tsy hisy ny ankoatra izay. Fampieritreretana ny rehetra tamin’ny fanazavana lavalava ihany mikasika ireo andininy sasantsasany ao anaty tondrozotra (ny faha-16, 17, 18 ary faha-20) milaza fa atsahatra ny fanenjehana ara-politika rehetra, mikasika ny tsy mbola famoahana ihany an’ireo gadra politika indrindra ireo miaramila manamboninahitra voatana eny Tsiafahy izay efa miha-tsy salama avokoa izy rehetra ankehitriny, araka ny tatitra azo farany avy amin’ny fianakaviana, ny tsy mbola fanokafana an’ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT hatramin’ny 2009 ary ny fampodiana tsy misy fepetra an’ireo sesitany any ivelany ka singanina manokana amin’ireny ny filoha Marc Ravalomanana. Ireo rehetra ireo mitambatra ve, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, dia afahana milaza fa miroso mankany amin’ny fisian’ny fitoniana isika ? Dia hisy ve raha izany ny fifidianana ? Anio zoma 22 martsa dia fantatra fa anjaran’ny TIM Manjakandriana no miroso amin’izany hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona izany izay hosantarina amin’ny fambolen-kazo ao Carion.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT