Nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taom-baovao 2020 teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra omaly no nanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa ny fahatsapana fa miha sahiranana ny vahoaka Malagasy.
Ny tena nanamarika iny taona 2019 iny teo amin’ny lafiny ara- politika, dia ny tsy fisian’ny tany tan-dalàna sy ny tsy fanajana ny demokrasia eto amin’ny firenena, hoy izy. Ny fahatsapana izany no antony nijoroan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, na ny RMDM mba handrindrana ny asa fanoherana eto Madagasikara. Tsy hilavo lefona, ary tsy ho kivy isika fa tsy maintsy mijoro, hoy i Marc Ravalomanana. Mbola misy ny fanantenana amin’izao taona vaovao 2020 izao, hoy izy ka noho izany dia tsy maintsy tohizana ny ady amin’ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana satria dia mandeha any amin’ny làlana tsy tokony hizorany ny firenena. Isika mpanohitra no arofanina, ka adidy sy andraikitra tsy maintsy ho tanterahina izany. Koa sahia miteny rehefa mahita zavatra, ary mijoroa miaro ny fahamarinana sy ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
VAHAOLANA AMIN’NY KRIZY
Nanao antso avo amin’ny fiangonana tsy ankavanaka ihany i Marc Ravalomanana mba handraisan’izy ireo andraikitra amin’ny maha ray aman-dreny afaka mampianatra sy manitsy ny vahoaka rehetra satria tanindrazana iombonana ity.Tsy sanatria faly hitanisa ny tsy mety fotsiny fa nanolotra vahaolana efatra hahafahana miroso amin’ny tena asa fampandrosoana izy.Voalohany ny faletrahana ny fandriampahalemana ara-tsosialy izany hoe tsy fitanilàna amin’ny fampiharana ny lalàna sy famerahana ny fandriampahalemana ary ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fiarohana ireo mpandraharaha. Faharoa dia ilaina ny firasam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena tena izy iarahan’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena.Fahatelo, tsy maintsy apetraka ny demokrasia tena izy, izany hoe ny fanekena sy fanajàna fa misy ny mpitondra, ary misy ihany koa ny mpanohitra.Ary ny hevi-dehibe faha efatra farany dia ny fanajana ny tany tan-dalàna.Nanaovany antso manokana ny mpitsara, mba hitsara amin’ny fahamarinana tokoa fa tsy hanaiky atao fitaovana politika; ireo mpitandro filaminana mba tsy hatao herim-pamoretana ny vahoaka.Niarahaba no sady nirary so any vahoaka Malagasy amin’ity taona vaovao 2020 ity moa Atoa Marc Ravalomanana , izay notronin’ny fianakaviany sy ireo mpiara-dia aminy eo anivon’ny antoko TIM ary ireo tapaka sy namana, teny Faravohitra omaly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.