Politique

Marc Ravalomanana Nankasitraka ny fandraisan’andraikitry ny V6


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Niditra an-tariby avy atsy Afrika Atsimo, nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’i Toamasina sy ny mpiara-mitolona eo anivon’ny Rodoben’i Toamasina, Atoa Marc Ravalomanana ny sabotsy teo.

Nambarany fa hitondra filaminana fa tsy hiady ny fahatongavako aty an-tanindrazana. Hifampidinika isika samy Malagasy, ary tsy maintsy mahita vahaolana. Mpanampy sy mpanara-maso ny fanatanterahana ny hevitra tapaka fotsiny ny SADC sy ny fiombonam-be iraisam-pirenena, hoy izy. Tsy nisalasala ihany koa izy nilaza fa tsy hanao sonia io tondrozotra nasiam-panitsiana io mihitsy aho raha tsy aty Madagasikara no hanaovana izany, ary tafaverina eto ireo nitsoaka ny tanindrazana noho ny antsojay politika rehetra. Mbola naverin’Atoa Marc Ravalomanana ihany koa nandritra ity fidirany mivantana ity fa fiaraha-mitantana ihany no tena fametrahana ny demokrasia ao Madagasikara.

Voalazany koa fa didy jadona sy fanamparam-pehefana ary fahoriam-bahoaka no napetraky ny fanovana nolazaina hatramin’izay, ka tsy azo ekena izany fampahoriana ny vahoaka sy ny firenena Malagasy izany, satria ny hoavin’ny firenena mihitsy no ho potika. Nambarany fa henon’ny SADC ny fanambarana nataon’ireo vondrona politika sy antoko ary fikambanana politika miisa 06 nilaza ny zava-misy marina mikasika ny raharaha politika eto Madagasikara, ary manaiky ihany koa ny fodiako sy ireo sesitany niaraka tamiko ary tsy adinony ny nisaotra sy nankasitraka tamin’ny fandraisana andraikitra sy namela ny hambom-po teo amin’izy ireo mba hitadiavam-bahaolana haingana amin’izao olon’ny firenena sy ny fahantran’ny Malagasy izao. Ankoatra izay dia nomarihin’Atoa Ravalomanana fa nahavita sy mahavita ny asany ny SADC sy ny vondrona iraisam-pirenena, fa ireo mpanelanelana mamita iraka eto no mamadika ny hevitra tapaka ka mila soloina.

 

Rakoutou

 

Sary : Hetsika tao amin’ny Magro Toamasina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT