Tsy mbola afaka miteny firy izao satria tsy tapitra tanteraka ilay 100 andro. Rehefa tapitra dia tena hiteny aho, ary manomboka eo ihany koa ny fampielezan-kevitra ka ho avy aho,
hoy i Marc Ravalomanana teny amin’ny foiben-toeran’ny TIMK25 teny Bel’Air ny faran’ny herinandro nivalona teo. Indray mandeha isika no lavo, fa andao isika hiarina. Tsy ho foana ny fanantenana ary manantena isika fa hifandanja, ary tsy izay fotsiny fa hiakatra ambony kokoa aza ny TIM. Afaka hanatanteraka tsara ny fampanantenana ny vahoaka, raha ny nambarany. Amin’izao fotoana izao, dia tena mahamenatra, fa ny lahy ary lasa vavy, lasa manompo “Franc-maçon”, tena efa mivily lalana mihitsy isika. Maro anefa no manontany hoe: fa naninona i Marc Ravalomanana no nanaiky an’iny ? Matoa aho nandray ireny fanapahan-kevitra ireny dia nangataka mafy tamin’Andriamanitra mihitsy aho, fa raha izaho dia tsy ireny no tokony ho nataoko, ary fantatro fa tsy mahavidy ain’olona anankiray aho, malahelo azy aho, hoy ity filoha nasionalin’ny antoko TIM ity. Mampahery ny rehetra ny tenany ary isika tsy resy fa mpandresy, hoy ity filoha mpanorina ny TIM ity. Fisorohana ny ra mandriaka sy fandatsahana ny ain’ny Malagasy no nahatonga azy nandefitra. Amin’ity fifidianana depiote ity no hametrahana ny fifandanjan-kery, ka tsy ho depiote mpanangan-tanana fotsiny fa hitondra ny feon’ny vahoaka marina, hoy i Marc Ravalomanana. Manara-maso tsara ny fiainam-pirenena I Marc Ravalomanana, izay manamafy izany fa manaja tsara ilay 100 andro tsy dia hanakianana firy ny fitondram-panjakana. Ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny hamaritra ny ho fahamarinan-toerana ara-politika eto amin’ny firenena. Ny fanjakana Rajoelina, dia tena manao izay ho afany hahazoana toerana maro, ka toa efa mivaona sy tsy mahafehy intsony ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana, raha tarafina amin’ny fihetsiky ny minisitra sasany toa mampandany ny kandida miaraka amin’ny filoha. Ny hery politika, tahaka ny TIM ihany koa dia maneho fa tena tsy hikoso-maso fa tena hanao ny faraheriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.