Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena i Marc Ravalomanana omaly.
Ilaina hatrany ny fifandeferana araka ny hafatra napetrak’i Papa, ka izany dia miteraka tsy fanilikilihana, hoy izy. Mbola nohamafisiny fa maniry ny hihaona amin’ny filoha Rajoelina izy ao anatin’ny fifanatonan’ny mpanohitra sy ny mpitondra sy ny momba ny fampihavanam-pirenena. Marihina rahateo fa anisan’ny nosoratany tao anatin’ny taratasy nalefany tany amin’ny Papa Fransoa ny fangatahany mba hanampian’ity farany azy amin’ny ezaka ataony hahafaha-miresaka amin’ny mpitondra ankehitriny izy, mba hahafaha-manetsika ny tena fifampiresahan’ny samy Malagasy ao anatin’ny lalan-tsaina kristianina, mba hisian’ny fitoniana politika, fepetra tsy azo ihodivirana ho an’ny fampandrosoana tena haharitra, hoy i Marc Ravalomanana. Momba ny mpiasan’ny CUA teo aloha naiditra am-ponja noho ny resaka fivarotana tany, ny mpivarotra sy ny mpividy, dia tokony ho ao avokoa, hoy ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana amin’ny maha mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna azy. Mahakasika ny fitazonana ny talen’ny CUA teny amin’ny polisy, momba ilay raharaha helikoptera tetsy Mahamasina dia nambarany fa tsy ara-dalàna izany satria tsy nisy fiantsoana fa nalaina am-pitaka fotsiny ity tale ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.