Politique

Marc Ravalomanana Nampisinda ny ahiahy


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana tao amin’ny Magro Behoririka, nandritra ny hetsiky ny Rodobe, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy 17 septambra teo, andro nahavitan’ny sonian’ny tondrozotra.

 Tamin’io rahateo no nanehoany voalohany ny heviny mikasika azy io. «Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa vita ny fifanarahana», hoy ny teniny voalohany. Teny izay maneho fa olona manam-pinoana ary manankina mandrakariva ny asany amin’Andriamanitra izy. Naveriny sy nohamafisiny indray nandritra ity fotoana ity fa «ny zavatra notakiantsika hatramin’izay io vita io, dia ny fampiharana ny Sandton fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena eo anivon’ny SADC natao tao Afrika Atsimo tamin’ny volana jona 2011. Tonga taty ny iraky ny Troika nanatanteraka azy. Ka na teo aza ireo fahasahiranana sy tsy fitovian-kevitra dia vita soa aman-tsara”. Notsipihiny mazava tsara koa fa delegasiona azo antoka no teny Ivato matoa nasaina nanao rangopohy na sonia ireny. “Midika izany fa ao ny fifampatokisana.

Sao ianareo lasa eritreritra hoe nahoana no olon-kafa no nanao azy fa tsy ny Prezida ?”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. “Mbola misy ny fotoana hanaovako sonia fa aza matahotra ianareo !”, hoy izy nanohy ny teniny. Nanazava izy fa delegasiona roa no nifandrimbona nandritra ny dinika nandrafetana iny sori-dalana iny dia ny delegasiona malagasy notarihan’i Mamy Rakotoarivelo, andaniny, sy ny notarihin’ingahy Brian Currin, iraka avy any Afrika Atsimo, mitarika ireo manampahaizana manokana momba ny filaminana, havanana amin’ny fampiraharahana, mahay momba ny lalàmpanorenana ary indrindra momba ny zon’olombelona, ankilany.

Miara-miasa sy mifanakalo hevitra tsara ireo delegasiona ireo, ary “niera taty amiko nialoha ny nirosoana tamin’ny sonia”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana. “Rehefa manao zavatra isika dia amin’ny fomba matihanina sy matipaika mba ho tonga amin’izay ilantsika azy”, hoy izy nanohy ny fanazavana. Koa aza manahy na mieritreritra na misalasala hoe : fa nahoana no i Mamy Rakotoarivelo no nanao sonia ? Niera taty amiko izy ary nifampiresaka izahay. Matoky azy aho ary ianareo koa mahalala fa nijoro izy hatramin’izay, toy izany koa ireo delegasiona miaraka aminy izay manoro hevitra azy. «Tanteraka ilay fodiana tsy misy fepetra notakiana, ka tsy ho ela aho dia ho avy !», hoy ny filoha Marc Ravalomanana. Ankoatra izay dia nankasitraka ireo ankolafy roa, Pr Zafy Albert sy Didier Ratsiraka, koa ny tenany. Samy manana ny heviny isika nefa miray hina mandrakariva ary hiray hina hatramin’ny farany, hoy izy. Nambarany moa fa dia mifampiresaka matetika amin’ireo filohan’ny Ankolafy miara-dia ao amin’ny Ankolafy telo mikasika izany ny tenany.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Marc Ravalomanana sy Mamy Rakotoarivelo, nandritra ny dinika tany Gaborone

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT