Ny fahatongavan’i Dada no laharam-pahamehana fa tsy fifidianana, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo.
Nandeha ny tsaho tao ho ao mikasika ny hoe fivakisan’ny zanak’i Dada. Avelao hamadika izay hamadika, hoy izy, fa i Dada hikambanantsika no jereo fa ho an’izay te-hiverina kosa dia any amin’ny rambony any izy. Dia mbola misy manontany foana ankehitriny, hoy i Zafilahy Stanislas hoe inona no mba azonareo tamin’izany Marc Ravalomanana izany fa tsy avelao izy ho any amin’ny misy azy any ? Tsotra ny valin-teny ho azy ireo, hoy ity filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ity, “nampianatra anay hanao ny marina iny lehilahy iny ka tsy maintsy mody an-tanindrazana”. Ingahy Goldblatt, izay vazaha frantsay, aza nahazo niditra eto ka ny filoha Marc Ravalomanana Malagasy ray Malagasy reny ve no tsy afaka ? Dia misy mandadilady indray, hono, izao eny Ambohitsorohitra mangataka amin’ny mpanongam-panjakana hoe roahy i Lalao Ravalomanana. “I Neny tsy mody intsony, fa i Dada no ho avy”, hoy i Zafilahy Stanislas. Efa ho avy tokoa ka may ny endim-boanjon’ny Frantsay. Tsy ny Frantsay rehetra no hoe ratsy avokoa, hoy ny CT Manoela, fa ny politika natokany ho an’i Madagasikara. Tena matoky ny asan-dRavalomanana Marc isika ary mankato ny teniny. Tsy niaritra ho an’olon-kafa nandritra ny efa-taona teto isika fa noho i Marc Ravalomanana ihany. Raha fifidianana eken’ny rehetra no tadiavina dia tondrozotra tanteraka 100% no fepetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.