Niditra nivantana an-telefaonina nandritra ny hetsiky ny Ankolafy Ravalomanana tao Ambalavao Tsienimparihy, ny filoha Marc Ravalomanana omaly ka nampanantena ireo vahoaka vory marobe tao amin’ny Tranompokonolona fa ho avy tsy ho ela sady nanafatrafatra mazava fa miandry azy ny fanapahan-kevitra amin’ny fanendrena izay ho kandidàn’ny Ankolafy amin’ny fifidiana ny ho filoham-pirenena sy fifidianana amin’ny rafitra samihafa. Nahavelom-bolo tanteraka ny vahoaka tao Ambalavao Tsienimparihy efa ela tsy naheno ny feony izany fanomezan-toky nataon’ny filoha Marc Ravalomanana izany, hoy ny fampitam-baovao azo.
Ny vahoaka any an-toerana sy ireo Tangalamena nanatrika ny fihaonana omaly moa dia efa samy miandrandra ny fiverenany daholo hanohy ny fampandrosoana an’ity Nosy ity. Nitrika ny fotoana ny CST Rakotonomenjanahary Jean Ernest sy ny CT Rarison Hilarion. Hihazo an’Alakamisin’i Tenina Distrikan’i Vohibato izy ireo anio alakamisy 14 martsa, ao Ambohimahasoa rahampitso zoma ary ao Fianarantsoa I sy any Lalangina ny sabotsy 16 martsa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.