Politique

Marc Ravalomanana Namondrona ireo mpomba azy tao Mahajanga


  • Zoma 15 Septambra 2017

Tsy diso anjara tamin'ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny antoko Tiako I Madagasikara ireo mpikatroka tao Mahajanga.

Tontosa ny tolakandron'ny alakamisy 14 septambra tao Amborovy ny lanonana. Nihaona sy nitafa mivantana tamin'ireo mpomba azy andriamatoa Marc Ravalomanana, izay sady filoha mpanorina ny antoko. Nanafatrafatra sy nanamafy ny tenany ny tokony hahanan'izy ireo finoana handresy, hanana toe-tsaina tsy mihemotra fa mijoro hatrany ary tsy hanan-tahotra n'inon'inona miseho. Nohamafisiny ny tokony hanajana ny rafitra an-tanatohatry ny antoko miainga any amin'ny fototra mba tsy ahafahan'ireo mpanakorontana manozongozona ny foto-kevitra tsara namolavolana ny antoko Tiako I Madagasikara. Toy ny tany amin'ireo faritra hafa, nisy ny fanapahana mofomamy nanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko ary nialohavana fanompoam-pivavahana. Nizotra tam-pilaminana ny hetsika rehetra ary velom-bolo ireo mpitarika ny antoko TIM ao Boeny sy mpanaradia ny filoha Marc Ravalomanana satria afaka nihaona mivantana taminy, nilaza ny hetaheta sy ny zavatra andrandrain'izy ireo.

Vahaniaina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT