Efa manomboka miparitaka ny horonantsary mitantara ny fiainan’i Marc Ravalomanana taorian’ny nanonganana azy teo amin’ny fitondrana ny taona 2009 sy ny fiverenany indray teto an-tanindrazana dia ny « Return of a president after a coup in Madagascar ».
Maro ny zavatra voalaza ao anatiny, ary mampiseho tantara niainany sy maneho ny mbola finiavany hanarina an’i Madagasikara. Goavana sy manan-danja, ary hanova zavatra maro ny fivoahan’io horonantsary io.
Nizaka ny mafy sy ny mangidy
Nanome ny tsara indrindra avy amiko aho nandritra ny nitondrako ny firenena, saingy indrisy fa tojo fanonganam-panjakana. Niara-niasa akaiky tamin’ny firaisam-be iraisam-pirenena aho, ary indrindra ny rafitra iraisam-pirenena momba ny famatsiam-bola toy ny Banky iraisam-pirenena, ny FMI ka nanampy betsaka ahy tamin’ny famafana ny trosa rehetra baben’i Madagasikara izy ireo. Laharam-pahamehana ho ahy tamin’izany ny fananganana fotodrafitrasa, ny fampianarana, ny fampandrosoana ny eny Ambanivohitra, hoy i Marc Ravalomanana. Notsoriny fa tsy dia nametraka ho laharam-pahamehana be loatra ny tafika ny tenany, ary tsy dia mitombina loatra ny hoe haompana amin’izany ny 30 hatramin’ny 40% amin’ny tetibola satria i Madagasikara dia nosy ary tsy manana fahavalo avy any ivelany na hoe handeha hiady, saingy izay no nanaovana fitaovana ny tafika sasany hampahomby ny fanonganam-panjakana. Nijoro vavolombelona momba izany ny kolonely Charles Andrianasoavina taty aoriana mahakasika ny fanatontosana iny fanonganam-panjakana iny, ka nogadrain’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Tsy te hamerina sy hieritreritra iny tantara iny aho. Tena ratsy iny ary nangidy tamiko sy ny vady aman-janako ary ny fianakaviako, hoy i Marc Ravalomanana. Ampahany tamin’izany ny fanambanana basy fandrahonana hamono raha tsy miala aho. Henjana ny fomba nitsoahana. Araka ny fitantaran’i Lalao Ravalomanana, dia nanao kasikety sy ny fomba rehetra tsy hahafantarana azy izy, ny filoha kosa nanakona ny endriny tamin’ny alalan’ny “écharpe”, nandritra ny fivoahana ny vavahady teny Iavoloha. Taorian’izay ny fivoahany nankany ivelany, izay tsy nohazavainy antsipiriany, saingy hahafaha-maneho fa nisy nanampy sy niaro izy na teto an-toerana na avy any ivelany matoa tafavoaka velona.
Mbola vonon-kanavotra ny firenena
Notahian’Andriamanitra hatrany izahay satria nanao ny tsara ho an’ny firenena, hoy i Lalao Ravalomanana. Niezaka nitady ny fomba rehetra hiverenana teto Madagasikara i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany satria potika ny firenena, mahantra sy mijaly ny vahoaka. Tany amin’ny fivoriana fitadiavam-bahaolana notarihin’ny SADC tany Botswana ny taona 2011 no efa tapaka ny tsy maintsy hiverenany taty Madagasikara, ary nifanarahana fa tsy maintsy mitady izay fomba hanamorana izany i Andry Rajoelina. Nony nandeha anefa ny fiaramanidina, dia nohidian’ny fanjakana tamin’izany ny seranana rehetra ka voatery niantsona tany Johannesbourg (Afrika atsimo). Mazava ny foto-kevitr’i Marc Ravalomanana, tsy maintsy mody aty Madagasikara mba hanasoa ny firenena sy ny vahoaka fa tsy sesitany mandrakizay any ivelany.
Mila fitoniana
Nigadona teto an-tanindrazana i Marc Ravalomanana ny volana oktobra 2014, ary nogadraina 6 volana. Na sesitany aza izy niasa be foana tany, ary torak’izany ihany koa ireo olony. Fifandresen-dahatra na “lobbying” mafy be no nataony vao tafaverina teto. Izy irery no hany filoham-panjakana taty Afrika tsy maty na nogadraina naharitra taorian’ny fanonganana, fa afaka niaina an-kalalahana na eto an-tanindrazana na any ivelany, ary mbola tsara fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nandany fotoana betsaka nihaonana sy nifampiresahana tamina olona maro i Marc Ravalomanana rehefa tafaverina teto an-tanindrazana na filoham-pirenena teo aloha na ny am-perinasa, ny mpanao politika isan-tsokajiny, ny mpandraharaha, ny olon’ny Fiangonana ary na dia olon-tsotra aza. Nasehony hatrany fa olon’ny filaminana sy ny fifampiresahana izy ary tsy handany andro amin’ny valifaty fa manindraindra hatrany ny fihavanana. Ny fitoniana ihany no hahafahana miasa sy mampandroso ny firenena, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.