Politique

Marc Ravalomanana Namaly bontana an’ny Dr Simao


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011

Miandry izay ho fehin-kevitra havoakan’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC mivory any Luanda ny rehetra amin’ity anio ity.

 “Ento am-bavaka ny fivoriana fa zava-dehibe ho an’ny firenena no dinihina any. Enga anie ho fivoriana hitondra vahaolana manaraka ny hetahetan’ny vahaoka malagasy fa tsy izay tian’ny milaza ho mpanelanelana hatao”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana omaly raha niditra tamin’ny antso an-tariby nivantana tao amin’ny Magro Behoririka. Tamin’izany koa no nanankianany ny fihetsiky Dr Leonardo Simao tonga eto, ka nilazany fa tokony any Luanda ity farany.

Novantanin’ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy mifanaraka amin’ny fijerin’ny vahoaka ny ataon’ity teratany mozambikana ity. Ireo mpiara-miombon’antoka koa, hoy izy, mahita fa “tsy mety ny ataon’ny Dr Simao, ary tsy rariny loatra ka ho hitantsika eo !” Manoloana ny resaka mandeha fa tsy misy dinika ato intsony ny amin’ilay sori-dalana dia fanontaniana no nasetrin’Atoa Ravalomanana azy, manao hoe : “inona no mbola hiantsona ireo ankolafy politika raha izany ?” Nambaran’ny filoha Ravalomanana moa fa dia milaza handray andraikitra manoloana izany ny SADC. “Izaho koa tsy hanaiky lembenana mihitsy”, hoy izy nanamafy izany. Nanentana ireo mpomba azy izy, hiray hina. Rehefa izay dia niantso firaisankinan’ny mpanao politika izy fa tsy hijanona any an-trano mimenomenona fotsiny satria fiainam-pirenena io. Nanamafy indray Atoa Ravalomanana tamin’io omaly io fa “tsy nampamono olona aho ary tsy namono !”. Nampiany fa tsy hanelingelina ny tetezamita izy. “Izany no tsy nidirako amin’io satria i Madagasikara no jereko, ary izaho tsy hanampotika ny fireneko fa mila mifanatona isika mpanao politika”, hoy izy namarana ny teniny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT