Nandao an’i Madagasikara ny sabotsy alina teo ary nihazo an’i Etazonia Atoa Marc Ravalomanana. Haharitra 10 andro ny fitsidihany any an-toerana.
Araka ny vaovao nampitain’ireo mpiara-miasa aminy dia amin’ny maha filoha lefitry ny Fjkm no tena andehanany any mba hanatrika ny fivoriambe faha-222 an’ny Presbyterian Church. Mpikambana ao anatin’izany moa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (Fjkm) ary efa fanaon’ireo mpitantana ihany ny famonjena io fivoriambe io. Fantatra ihany koa anefa fa handalo an’i New York sy Washington i Marc Ravalomanana amin’izao diany any Amerika izao. Hotaterina miandalana eto ihany ny fanampim-baovao mifandraika amin’izany rehetra izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.