Politique

Marc Ravalomanana Mitandrema amin’i Mémé !


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Sambany hatramin’izay nialany teto an-tanindrazana no nitafa mivantana tamin’ny mpikambana Tiako I Madagasikara ao Tolagnaro ny filoha Marc Ravalomanana.

 Izany dia herinandro taorian’ny nijoroan’ny birao mpiara-mitantana ity antoko ity ao an-toerana. Tranon’ny mpikambana iray ao Ambinanikely, Roland, no nifamotoan’ireo mpikambana aman-jatony ny tolakandron’ny sabotsy 03 septambra teo. Nandritra izany no nilazan’ny filoha Ravalomanana ny alahelony manoloana ny fahapotehan’ireo asa lehibe efa natomboka tao amin’ny Faritra Anôsy sy ny fijaliana mahazo ny mponina vokatr’izany. Na izany aza dia «tsy manadino ny vahoakan’i Tolagnaro ny tenako. Porofon’izany izao itafako mivantana aminareo izao, ary hatetika izany mba hisian’ny fifampitokisana hatrany ary fotoana ijoroana izao, hiarahana miasa sy hanamafisana ny firaisankina”, hoy hatrany ny filoha Ravalomanana. Nambarany fa hotohizana ny fanatanterahana ny lalam-pirenena faha-13 Ihosy-Betroka-Tolagnaro izay efa teo an-dalam-pananatanterahana azy no tonga ny mpanohariana. Hojerena akaiky koa ireo tanora tsy an’asa, indrindra ireo ray aman-dreny mampiana-janaka, hoy izy. Toy izany koa ny tantsaha izay tsy matory andro tsy mandry alina amin’ny asan-jiolahy. Tadidio tsara hoy hatrany ny filoha Marc Ravalomanana fa tao anatin’ny 20 taona mahery no narirarira io tetikasa QMM, mpitrandraka fasimainty io, kanefa vao tonga ny tenako avy hatrany dia niasa. Porofo izany fa “asa, asa hatrany no ilofosana fa tsy ny fampijaliana ny vahoaka toy izao misy izao”, hoy izy. Nomarihiny fa mila fahaizana ny fifampiraharahana amin’ireo mpamatsy vola any ivelany. Rehefa izay dia nampitandrina ireo mpiara-dia aminy ny filoha Marc Ravalomanana mba ho mailo fa “tsy kely lalana ny ratsy”. “Aoka ho malina ianareo aty Anôsy ary miraisa hina tsara”, hoy izy. Izao no tadidionareo, hoy ny filoha Ravalomanana : “ny fitondrana nalaina an-keriny toy izao misy ao Madagasikara izao dia tsy hanana ny rariny velively amin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Asa very maina sy fandaniam-bola ny fifidianana atao amboletra izay kasain’ny fitondrana FAT hotanterahina”. Fa nasiany resaka manokana tamin’io andro io ko ny mikasika an’i Yves Aimé Rakotoarison fantatry ny maro amin’ny anaram-petaka hoe : Mémé, minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana amin’izao fotoana. “Tsy miaraka amiko intsony izy fa mpamitaka, indrindra ireo nisintaka ka lasa nanompo ny fitondrana FAT ka mitandrema !”, hoy ny Filoha Ravalomanana. Ankoatra izay dia nanontany ireo mpivory ny toerana misy ny Senatera Mosa Tahiry, hoy ny tenany.

Mahakasika ny birao mpiara-mitantana ao Tolagnaro ny Tiako i Madagasikara dia nanome tsodrano an’i Roland Ambinanikely ny tenany rehefa avy nifampiresaka mivantana taminy tamin’io sabotsy tolakando io, handrindra ka hampivondrona indray ny herin’ny TIM. Tsy ny filoha Marc Ravalomanana ihany moa no niarahaba ny birao mpiara-mitantana ny antoko aty Tolagnaro fa, teo ihany koa ny birao foibe ao Antananarivo, miara-dia amin’i Zafilahy Stanislas sy ny ekipany. Nanome hery ireo zanak’i Dada ao Tolagnaro, ny fandrenesan’izy ireo mivantana ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny toromarika avy aminy. Nampanantena ireto mpikambana fa hitarina amin’ireo Kaominina 26 hafa ny famohazana ireo izay mbola matoritory sy fameloma-maso indray ny antoko, mba hiasa miaraka ho amin’ny fahombiazana amin’izay kasaina.

Fa tamin’io sabotsy io ihany koa dia nifamory tao Bazaribe ireo mpiara-dia amin’i Yves Aimé Rakotoarison, izay nanakiana ny fijoroan’ity birao miara-dia amin’ny zanak’i Dada ireto.

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT