Amnistia ! Io no ambentin-dresaka amin’ny haino aman-jery sy an-gazety tato ho ato ary mibahana amin’ny adihevitry ny mpanao politika, eny fa ny olom-pirenena tsotra koa aza.
Hita ho seriny dia seriny manao ny paipaika rehetra hanilihana ireo tsy mitovy hevitra aminy ny FAT tarihin’i Andry Rajoelina, ao anatin’ny fandrafetana ny volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka na amnistia ity. Nanafatra manampahaizana avy any amin’ny SADC mihitsy moa ry zareo, izay antony nahatongavan’i Marius Fransman, lehiben’ny iraka mpanelanelana avy amin’ny Troika-SADC teto. Nisy ny fakan-kevitra sy dinika nifanaovan’izy ireo tamin’ireo mpanao sonia ny sori-dalana. Nisy ny fehin-kevitra entina handrafetana ny volavolan-dalàna. Ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra hatreto no nanolorana ny fehin-kevitra, ary dia mijanona ho tsiambaratelon’izy ireo izany ny amin’izay ho endrikendrika sy votoatin’izay volavolan-dalàna mikasika ny amnistia izay.
Tsy mahagaga raha tsy dia nisy fanehoan-kevitra firy mikasika azy io omaly, satria tsy mahalala izay votoatin’ilay fehin-kevitra ny ankamaroany. Efa dila omaly tolakandro, nandao an’i Madagasikara anefa i Marius Fransman. Ao anatin’izany rehetra izany, dia hita ho milamin-tsaina ny filoha Marc Ravalomanana. Manara-maso sy miandry fotsiny sisa izy. Tsy mahakasika azy rahateo ity resaka amnistia resahina ity. Efa mazava ny voalazan’ny andininy faha-16 sy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, izay efa navadika ho lalàna, ka dia ny fampiharana an’io no mampody azy tsy misy fepetra eto. Nanamafy izany i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana, izay tonga nihaona manokana tamin’i Marius Fransman tao amin’ny Colbert Antaninarenina omaly maraina.
Tamin’izany no nilazany mazava fa tokony hosarahina amin’ny resaka amnistia ny fiverenan’ireo sesitany politika tsy misy fepetra araka ny voalazan’ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra, ka ao anatiny ny filoha Marc Ravalomanana. Olona ao amin’ny fitondrana ankehitriny no mila amnistia fa tsy ny filoha Marc Ravalomanana satria sady tsy mahaleotena no mitanila ny fitsarana nitsara azy, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Izay fepetra hisian’ny fitoniana politika eto no takianay, hoy izy koa tokony hatsahatra ny fitsarana ny raharaha BANI sy FIGN, araka ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra. Nifantoka tamin’io koa ny kabary tao amin’ny Magro Behoririka omaly, ka nilazan’i Constant Raveloson, izay anisan’ireo niara-nikaon-doha niaraka tamin’ireo mpahay lalàna Malagasy sy vahiny amin’ity resaka amnistia ity, fa vaky ambatolampy ny paipaika tadiavin’ny olon-dRajoelina hatao, izay hita taratra amin’ny famerana ny fe-potoana voakasiky ny amnistia ho eo anelanelan’ny 2002 ka hatramin’ny 31 desambra 2009.
Hentitra moa ny mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana nilaza fa tsy hanaiky lembenana amin’izany. Koa miankina amin’i Andry Rajoelina ny hanafaingana na hampitarazoka ny fivahan’ny krizy, hoy i Constant. Rakotoamboa Jean Louis kosa dia nanipika mazava fa na i Andry Rajoelina manaiky ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana tsy misy fepetra eto, dia tsy misy raorao ny raharaha na izy tsy manaiky dia miverina ny fitoriana ny raharaha 26 janoary 2009 sy 07 febroary 2009 fa tsy misy manaiky lembenana eto. Na i Constant Raveloson na i Rostand Andriampilamanana dia samy nampahatsiahy ny tanjon’ny tolona dia ny hamerenana feno ny zon’ny filoha Marc Ravalomanana. Mody izy ary afaka milatsaka hofidiana. Efa vonona ho amin’izay rahateo Atoa Marc Ravalomanana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.