Politique

Marc Ravalomanana Mila azy ny Malagasy


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Toerana sy tanàna manodidina ny 260 izao no efa notsidihin’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara hatramin’ny nahatafaverenany an-tanindrazana taorian’ny nanoganana azy tamin’ny taona 2009.

 Hatry ny ela no nikatsahany ny fiverenana teto na dia tsy misy zava-mahory azy sy ny fianakaviany intsony aza. Tsapan-dRavalomanana fa mbola mila azy ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, ary matoa izy mbola tafavoaka velona tamin’ny raharaha 2009 sy afaka nody teto Madagasikara dia misy antony goavana ao fa tsy tongatonga ho azy. Nosamborin’ny fanjakana HVM sy nogadrainy tany Antsiranana, raha vao fantatra fa tonga ny 13 oktobra 2014, izay mbola mifono misitery hatramin’izao io fomba niverenany io. Rehefa nandeha ny fifampiresahana isan-karazany, dia nahazo fahalalahana ny tenany. Nanomboka teo dia nijery sy nizaha ifotony ny fahorian’ny Malagasy, ary nahatsapa fa potika sy mila fanarenana ny firenena taorian’ny fanonganam-panjakana. Nitety toerana maro, nifampitakosina sy nihaino ny hetahetahetan’ny vahoaka ny tenany hahafahana mitondra fampandrosoana. Feno fahavononana tanteraka izy ary, tena ara-bakiteny mihitsy ilay hira faneva hoe: “sahy na dia sakanana aza”. Misokatra amin’ny rehetra vonon-kanohana sy hiara-kiasa amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tenany. Olon’ny vahaolana sy ny fifampiresahana, fa tsy mba mpila vaniny sy mpila kisa, hany ka na avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara na avy amin’ny antoko hafa, na olom-pirenena tsotra, dia maneho fahavononana hampandany azy. Efa nambaran’i Marc Ravalomanana rahateo, fa kandidan’ny Malagasy rehetra izy fa tsy an’ny Antoko Tiako I Madagasikara irery ihany. Tsy adinon’ny Malagasy ny zava-bitany teto amin’ny firenena, ary niaina sy nilamina ary nandroso i Madagasikara tamin’ny androny. Vao mainka mampiakatra izay fanohanan’ny olona azy izay ny tsy fahombiazan’ny mpitantana nanomboka ny taona 2009 mandrak’androany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT