Manohy hatrany ny diany any Etazonia Atoa Marc Ravalomanana. Omaly dia nandalo tao amin’ny Harvard Club ao Midtown, Manhattan any New York izy.
Fikambanana miavaka sy manana ny maha izy azy izay hifaneraseran’ireo mpianatry ny oniversite any an-toerana sy ireo olona manampahaizana izy ity ary tena sarotra dia sarotra ny fahafahana miditra ao aminy. Midika izany fa mbola atokisan’ny olona any ivelany ary manana ny maha izy azy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Izy rahateo mbola manohy hatrany ny fianarana sy fandalinam-pahaizana hatramin’izao mba hahafahany manatsara hatrany ny fomba fiasany amin’ny fitondrana ny anjara birikiny hampandrosoana ny firenena. Iaraha-mahalala fa tsara fifandraisana amin’ny Amerikanina ny tenany ary maro amin’ny fomba fiasany no mitovitovy amin’ny an-dry zareo be kintana. Miara-dia aminy amin’izao diany any Etazonia izao ny zanany lahihaivo Tojo Ravalomanana, izay manampy azy akaiky amin’ny fikarohana ny vahaolana hanarenana ny orinasa Tiko. Haharitra 10 andro any Etazonia i Dada ary anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-potoany ny fanatrehana ny fivoriambe faha-222 an’ny Presbyterian Church any Portland amin’ny maha filoha lefitry ny Fjkm azy. An-kilan’izay, efa nanambara ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo i Marc Ravaloanana, ka azo antoka fa maro ny zavatra efa ketrehany rehefa mivoaka any ivelany tahaka izao izy. Olona efa zatra manana fandaharanasa mazava sy mipetrapetraka i Marc Ravalomanana ka aminy tsy misy izany kisendrasendra izany fa efa voalamina mialoha avokoa ny zavatra atao rehetra. Ho hita miandalana eo ihany moa ny vokatr’izao dian’i Dada any Etazonia izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.