Politique

Marc Ravalomanana Mikaroka mpiara-miasa any Etazonia


  • Alarobia 18 Janoary 2017

Mivezivezy ao New York sy Washington DC ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’ny diany any Etazonia.

Ny fihaonana amina mpanao politika, mpandraharaha, mpianatra amin’ny oniversite sy ireo Malagasy monina any Etazonia no tena nataony tao anatin’izay herinandro izay. Ankoatra ny fihaonany tamin’ireo filoha lefitra mirahalahy avy ao amin’ny banky iraisam-pirenena farany teo dia tafahaona ary niresaka tamin’ireo minisitra niara-niasa taminy fahiny koa izy toa an’i Hajanirina Razafinjatovo sy Ivohasina Razafimahefa. Mbola tena tsara ny fifandraisana, izy mirahalahy ireto ihany koa moa no minisitra nosokajian’ny maro ho tena akaiky an’i Marc Ravalomanana ary tena nitovy fomba fijery taminy amin’ny vina hanarenana ny firenena. Resaka sy dinikasa hikarohana lalam-bola hahafahana manarina ny toekarem-pirenena hatrany no mitranga, ary hita sy tsapa fa efa tena manomana mafy ny fiverenany eo amin’ny fitondrana i Dada. Raha tao New York izy omaly talata dia fantatra fa ho any Washington DC indray anio alarobia. Na tsy mbola nisy aza ny fampitam-baovao ofisialy dia re fa anisan’ireo vahiny nasaina hanatrika ny fianianan’ny filoha Amerikanina vaovao Donald Trump amin’ny zoma ho avy izao i Marc Ravalomanana.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT