Politique

Marc Ravalomanana “Mifanatona amin’ny rehetra aho”


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Tontosa teny amin’ny Hotely Carlton Anosy omaly rtalata 13 febroary ny fifampiarahabana nahatratra ny taona eo amin’ny antoko politika maro samy manana ny hetahetany momba ny fifidianana ho avy, anisan’ny nanatrika tao i Marc Ravalomanana. Fifidianana mirindra sy milamina hahafahan’ny besinimaro mandray anjara no andrandraina, raha ny fanehoan-keviny.

Kihon-dalana lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy ity taona ity mba hanehoany ny safidiny sy hahafahany mametraka ny hoaviny sy ny fanantenany. Mbola misy zavatra tsy masaka tsara matoa tsy mivoaka ilay lalàm-pifidianana. Mino aho fa mahafantatra tsara ny mpitondra hoe tompon’andraikitra izy amin’ny fifidianana hatao. Mbola mandamina sy mandinika angamba fa mbola misy zavatra tsy maha tapa-kevitra ao. 8 volana na 9 sisa raha be indrindra, ka samy miandry ny rehetra. Adihevitra be angamba matoa tsy mivoaka, ary mbola hampiantso fivoriana tsy ara-potoana parlemanta handinika sy hanapa-kevitra ny amin’izany. Mahatsapa aho fa izao vao tena mahafantatra ny olona hoe mila mitandrina sy mandinika tsara vao mifidy, hoy ity kandida sokajiana ho matanjaka ity. Momba ny feo mandeha fa hifanatona sy hifanohana izy sy Andry Rajoelina, dia tsotra ny navaliny. Izaho dia mifanatona amin’ny rehetra mihitsy, tsy maintsy miresaka sy mifanazava aloha isika. Aiza no hisian’ny filaminana sy fifandaminana amin’ny fifidianana mba hizotra tsara raha tsy mifanatona sy mifampiresaka ? Raha misy hevitra tsy mitovy, mifanakalo hevitra aloha, hoy hatrany izy. Tombontsoa iombonan’ny firenena iray manontolo no jerena. Nambarany kosa fa anjaran’ilay mpitarika ny antoko ny manazava amin’ireo mpanara-dia azy ny antony tsy maintsy hihaonana. Marefo dia marefo ny vahoaka Malagasy ka tsy maintsy manana faharetana sy fahatokisana izay mitondra azy, ary mba hahitana fanovana amin’ny fiainany ka ezahana mihitsy ny tsy hiverenan’ny krizy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT