Politique

Marc Ravalomanana Miantso ireo mpomba azy tsy ho taitaitra


  • Alatsinainy 17 Septambra 2012

Nafana ny hetsiky ny mpomba ny ara-dalàna tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 15 septambra lasa teo. Nahaliana ny olona ny vaovao niely nahakasika ny fodian’ny filoha Ravalomanana sy ny fanagiazana ny pasipaorony tsy hahafahany mihetsiketsika ao Afrika Atsimo ka nahatonga maro ny olona hihaino ny fanazavan’ny mpitarika.

 Izy tenany mihitsy, dia ny filoha Marc Ravalomanana, no nitafa nivantana tamin’ireo mpitolona ka nahafaly ny vahoaka izany. Nambarany fa sarotra ny miady amin’ny fahamarinana, ka rehefa manao ny marina dia tsy hitan’ny hafa izay atao. Aza mifendrofendro amin’izay resaka mandeha etsy sy eroa, hoy izy fa hain’andriamanitra ny mandamina ny zavatra rehetra. Naveriny indray fa tsy nanao ratsy teo amin’ny tany sy ny fanjakana malagasy ny tenany ary niezaka nitia ny Malagasy tamin’ny fony manontolo izy ka tsy matahotra na’inona na inona isika. Nohamafisiny fa misy ny manely tsaho sy mamafy lainga mahakasika ny fitsarana aty Afrika Atsimo.

Tsy tokony ho taitra amin’izany ianareo, hoy hatrany izy ary aza mitebiteby amin’izany fa izaho hatrany no miresaka aminareo. Matokia ahy fa efa nankinina tamin’ny Troika sy ny SADC izany ka tsy misy atahorantsika. Fantatro fa sahirana ny vahoaka ary malahelo ny zava-mitranga any Madagasikara ny tenako satria tsy miaina am-pilaminana intsony ny vahoaka fa mitebiteby lava noho ny tsy fandriampahalemana izay toa iniana atao hanakorontanana azy. Nohamafisiny hatrany moa ny tokony hiarahan’ny vahoaka malagasy mientana. Nambarany fa tsy maintsy mody izy ary tsy ho ela intsony izany. Nolazainy koa fa tsy hitsahatra ny hiresaka sy hampita ny vaovao avy any aminy izy mahakasika ny fivoaran’ny toe-draharaha mba hialana amin’ny lainga afafin’ny sasany. Rehefa tafaverina any aho dia hiezaka hiasa hiaraka isika hanarenana ny firenena, hoy izy. Nambarany an’ny vahoakan’i Vakinankaratra fa dia izy amin’izao fotoana no filohan’ny antoko Tiako Madagasikara.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT