Miaina anaty krizy tanteraka ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantana, hoy i Marc Ravalomanana ny sabotsy lasa teo. Krizy sosialy sy krizy ara-toekarena io,
tsy fantatra mazava ny laharam-pahamehana, hoy izy.Nambarany fa hanafatra manampahaizana manokana avy any Eoropa, hijery ny zava-misy sy hiasa eto mandritra ny enim-bolana izy ka hilaza ny zava-misy marina ary hanampy antsika. Iaraha-mahita ny zava-misy, hoy hatrany ny fanazavany toy ny olan’ny fanadinana, olan’ny rano, tsy fanana’asa izay tena mampikaikaika ny olona. Ny tanora manana olana amin’ny fianarana, tsy mahita asa. Jereo ny olan’ny jirama, maro ny orinasa mikatona. Vahaolana voalohany hoy ny filoha nasionalin’ny TIM ny fanetren-tena, ny fametrahana ny fifampatokisana, tsy hoe rehefa mpanohitra akory dia hanongam-panjakana. Tsy mieritreritra ny hanongam-panjakana izany aho fa kosa mpanohitra hitondra tsikera mampandroso, hoy i Marc Ravalomanana. Mbola sakana iray amin’ny fampandrosoana ny firenena anefa raha ny fahitan’ny antoko TIM sy ny mpitarika azy ny resaka kiantranoantrano amin’ny fitantanana ka na olona efa hita izao aza fa tsy mahafehy ilay andraikitra dia mbola omena toerana ihany. Ny sabotsy lasa teo moa no nitso-drano ireo kandida ben’ny tanàna ho an’Antananarivo Atsimondrano teny amin’ny Magro Tanjombato ny filoha nasionalin’ny TIM Marc Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.