Politique

Marc Ravalomanana MBS mandeha no fantany


  • Alatsinainy 14 Martsa 2016

Tonga nijery ny toerana nisy ny foiben’ny Malagasy Broadcasting System (MBS) teny Anosipatrana ny Filoha Marc Ravalomanana ny

 

sabotsy 12 martsa 2016, ny ampitson’ny nanamafisan’ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo fa tsy foana fa mbola manankery ny fifanarahana fampanofana tany nifanaovan’ny tanànan’Antananarivo sy ny MBS.

Nijery ny fotodrafitrasa izay mbola nisy teny Anosipatrana Atoa Marc Ravalomanana sy ny ekipan’ny MBS. Nandritra izany no nilazany fa mbola misy ny fifampitokisana eo amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny MBS. Misy ny manakantsakana saingy laizako fa hisokatra ny MBS ary hamboarina ny fotodrafitrasa rehetra, hoy izy. Nilaza ity filoha mpanorina ny vondron’orinasa Tiko misy ny MBS ity fa hanafatra teknisianina avy any Alemaina hifarimbona amin’ny fametrahana ny fitaovana rehetra hamerenana amin’ny laoniny ny MBS. Nanamafy Atoa Marc Ravalomanana fa tsy ho ela dia hiverina amin’ny laoniny ny MBS. Tsy misy antony tsy hisokafany rahateo, hoy izy, satria ny “licence” dia mbola ara-dalàna. Efa nampakatra ny raharaha teny amin’ny “Conseil d’Etat” ihany koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny MBS koa raha tena misy Fanjakana tan-dalàna marina ny eto Madagasikara dia tokony hamaly izy ireo satria zava-dehibe ny serasera mba afantaran’ny olona ny zava-misy marina, hoy hatrany Atoa Marc Ravalomanana. Nanipy teny amin’ny Minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana ity farany nilaza fa tena marefo ary ao anatin’ny fotoana sarotra ny firenena, koa aleo hiaina ampitoniana ny vahoaka, fa aza sakantsakanana amin’ny resaka politika ny fanokafana ny MBS.

MANANA POROFO IZAHAY

Nitondra fanazavana mikasika ny onitra nangatahan’ny TIKO ihany koa Atoa Marc Ravalomanana. Nandefa taratasy tany amin’ny filoham-pirenena ny Tale jeneralin’ny TIKO amin’ny fanonerana tokony ho azony satria dia voasoratra ao anaty tondrozotra izay efa lasa lalàna izany. Betsaka ny zavatra simba. Nisy naka ny fiara sy ny entana ary ny fitaovana ary manana porofo amin’izany izahay eny hatramin’ny olona naka an’ireny aza toy ny vary sy menaka ary siramamy an-taoniny maro tany amin’ny Port Toamasina. Tsy manana vola hanonerana izany ny Fanjakana fa misy kosa anefa “Fonds de solidarité”, araka ny voatondron’ny Tondrozotra ary mandray anjara ao anatin’izany ny Vondrona Eoropeanina, ny SADC … Ny Tahirimbola Iraisam-pirenena efa niteny tamiko fa hanome vola hanaovana onitra ho an’ny TIKO. Izaho no nitenenany an’izany, hoy izy nanamafy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT