Mitaky tsy misy hatak’andro ny fampiharana antsakany sy andavany ny sori-dalana, indrindra ny andininy faha-16, 17 ary 20, manameloka ny fihetsika mamohehitra sy mamoafady natao tamin-Rtoa Rakotonirainy Lalao vadin’ny filoha Ravalomanana sy Rtoa Gergana vinantony ny ankolafy Ravalomanana ivondronana antoko TIM, MFM, Teza, PSD, AMF/3FM sy fikambanana maro.
Nambarany fa raha ny voasoratry ny sori-dalana izay efa lasa lalàna ny fiantohan’ny filoha, ny governemanta sy ny andrim-panjakana rehetra ao anatin’ny tetezamita ny fametrahana fepetra mikasika ny filaminana sy ny fifampatokisana hisiana tontolo milamina sy tony, ny fanajana ny zon’olombelona, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fodian’ireo sesitany politika rehetra tsy ankanavaka. Ny fahitana fa tsy mbola mihatra araka ny tokony ho izy izany sori-dalana izany no mahatonga ny ankolafy Ravalomanana nampiato ny fandraisany anjara ao anatin’izao tetezamita iaraha-mitantana izao. Araka ny fanazavan’i Manandafy Rakotonirina dia “tsy manankery ka tsy maintsy hiverenana avokoa ireo zavatra rehetra tapaka tao anatin’izay fotoana tsy nahateo ny ankolafy Ravalomanana izay”, araka izay voalazan’ ny andininy faha-30 ao anatin’ny tondrozotra. Hevitra firehana tokana mandrakariva no mihatra, araka ny fanazavany fa tsy tenierana. Ny voalazan’ny sori-dalana anefa dia tokony ho tenierana avokoa ny zavatra rehetra. Ao anatin’izao tetezamita izao, hoy ny Me Hanitra Razafimanatsoa dia ny tenierana no tokony hitondrana ny asa rehetra fa tsy mbola demokrasia satria izay no nifaneken’ny rehetra herintaona latsaka kely lasa izay. Ny zava-nisy, araka ny fanazavana dia natao tsinontsinona ary matetika aza dia efa vita foana ny zavatra iray vao fantatry ny ankolafy Ravalomanana ny zava-misy.
Tsy meloka
Etsy andanin’izay dia amin’ity fiandohan’ny volana aogositra ity no voalaza fa hiatrika fitsarana any Afrika Atsimo ny filoha Ravalomanana noho ny fitoriana nataon’ny fikambanana AV7. Araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy dia tsy misy fiaraha-miasa eo amin’ny resaka fitsarana eo amin’i Madagasikara sy Afrika Atsimo. Tsy didy raikitra koa anefa no nalefa tany Afrika Atsimo satria mbola afaka manao fanohanana, na mitondra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony, na mangataka fandravana didy koa ny tenany. “Mbola virjiny ny casier judiciaire-ny’, hoy ihany ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Fitsarana tsy mahefa koa no nitsarana azy, araka ny fanazavana ihany. Raha hisy ary didim-pitsarana raikitra satria hoe naverina ohatra ny fitsarana dia manan-jo hiaro tena i Marc Ravalomanana izay efa nangataka hatry ny ela ny hanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena momba iny raharaha 7 febroary iny. Fotoana iray io, araka ny fanazavan’ity mpahay lalàna ity ihany ny hanehoana amin’izao tontolo izao ireo porofo rehetra tsy maha tompon’andraikitra ny filoha Marc Ravalomanana tamin’iny raharaha 7 febroary iny. Tsy misy afa-bela tamin’iny ireo olona rehetra mitondra amin’izao, hoy izy, ary dia tompon’antoka ireo nitarika olona nankeny Ambohitsorohitra. Ankoatra izay dia nambaran’ity mpisolovava ihany fa raha ny lalàna dia tsy azo tsaraina in-droa amina raharaha iray ny olona iray ary indrindra hoe olona iray ihany no mpitory.
Vonona
Momba ny ho tohin’ny mety ho fifampidinihana eo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana dia tohanan’ny ankolafy Ravalomanana tanteraka izany na dia efa nanao karazana tsiliantsofina ihany aza ny FAT fa mety hanohintohina izany dinika izany ny fikasan-dRtoa Ravalomanana nody an-tanindrazana ny zoma lasa teo. Nambaran’i Manandafy Rakotonirina moa fa ny SADC no mampiantso azy mianaka ireto hivory fa tsy sitrapon-dRajoelina na Ravalomanana. Mikasika ny fanambaran’ny SADC farany indray izay nanome tsiny tamin’ny fodian’i Lalao Ravalomanana dia mbola miahiahy ny ankolafy Ravalomanana raha tena ny SADC tokoa no nanao iny fanambarana iny na tsia satria tsy voarakitra ao anatin’ny tranokalan’ny SADC izany. Tsy vao izao tokoa manko no nisy tranga hafahafa nataon’ireo mpikambana sasany ao amin’ity vondrona ity. Iaraha-mitadidy ny nialan’ny Dr Tomaz Salomao tsiny tamin’ny vahoaka Malagasy noho ny hadisoana nataony.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.