Hotanterahina anio ny fianianan’ny Filoha Amerikanina vaovao Donald Trump, ka anisan’ny miatrika izany ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana.
Hotanterahina anio ny fianianan’ny Filoha Amerikanina vaovao Donald Trump, ka anisan’ny miatrika izany ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana. Efa andro maromaro izy no any an-toerana ary efa nihaona tamina tompon’andraikitra maro toy ny eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena, izay nahitana an’i Makhtar Diop filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena miandraikitra an’i Afrika sy Hafez Ghanem misahana kosa an’i Moyen orient sy i Afrika avaratra, efa solontenan’ny Banky iraisam-pirenena teto Madagasikara tamin’ny nitondran’ny filoha Ratsiraka (1997-2001) ary nifankalala tsara tamin’i Marc Ravalomanana. Miteraka adihevitra lehibe eto amin’ny firenena, indrindra fa ho an’ireo mpanara-baovao politika, ny hoe fa nahoana no izy no any an-toerana fa tsy ny Filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ? Tsy dia maharisika ny Amerikanina ny manasa filoham-panjakana hafa avy any ivelany amin’ny toe-javatra toy izao, fa izy samy izy sy ireo mpiara-miombon’antoka sy olona manana fifandraisana mafonja aminy ihany. Efa an-taonany maro ny fifandraisan’i Marc Ravalomanana tamin’ny Amerikanina, ary izy no azo sokajiana ho Malagasy voalohany ho tsara fifandraisana indrindra amin-dry zareo bekintana. Nahatoky hatrany azy ity firenen-dehibe ity na teo amin’ny fitondrana ny tenany, hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena dia mila sy mitady azy hatrany. Maro ny antony hametrahan’ny firenen-dehibe fitokisana aminy, fa anisan’ny niavaka ny fahaiza-mitantana na teo amin’ny lafiny fandraharahana na teo amin’ny tontolo politika. Niavaka ny nahatafaverenany ny vola nindraminy tamin’ny banky iraisam-pirenena fony izy mpandraharaha, ka nampiaiky izao tontolo izao ny firoboroboan’ny fandraharahana nataony. Nitohy tamin’ny fitantanany ny firenena ny fahombiazany satria tamin’ny fotoana nitondrany no ambony indrindra ny harinkarena teto Madagasikara, ka maro sokajian’ny rehetra ho tsy manam-paharoa i Marc Ravalomanana.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.