Voaporofo tamin'ny fifidianana ireo birao foiben'ny Fjkm tany Manakara farany teo, fa mbola manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny fiangonana izy.
Ary tsy mitombina intsony eto ny hoe nampiasa fahefana mba hanindriana bokotra ny olona hifidy azy i Marc Ravalomanana, satria tsy filoham-pirenena ary tsy manampahefana intsony ny tenany. Resaka fiangonana iny tany Manakara iny, kanefa azo hanombantombanana sahady ny mety hitranga amin'ny fifidianana; tsy ny vahoaka malagasy mpifidy rehetra akory no tao amin'ny sinoda lehiben'ny Fjkm, saingy eo amin'ny lafiny ara-teknika dia nahitana sokajin'olona maro samihafa, azo itarafana ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny ihany tao. Raha anontaniana koa ny olon-tsotra, eny an-dalambe eny, dia mbola misimisy ihany ireo milaza fa hifidy an'i Marc Ravalomanana raha toa ka kandida ity farany.
Hita amin'izany tranga rehetra izany fa tsy mbola tena nahomby tsara ny paikadin'ny olona sasany teto Madagasikara tamin'ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka, ity filoha teo aloha ity. Etsy ankilan'izay dia toa vao miha nampitombo ny fitiavan'ny olona an'ingahy Ravalomanana koa ny sakana sy antsojay ataon'ny fitondrana tetezamita aminy sy ny fianakaviany. Hita ho sahiran-tsaina ihany, noho izany i Andry Rajoelina sy ireo manodidina azy, satria tsy azo hodiana fanina mandrakizay ny fodian-dRavalomanana.
Raha miverina eto manko izy dia mbola manahiran-tsaina ny fitondrana tetezamita koa hoe : havela hiditra malalaka sy hanao politika ve sa tonga dia ho samborina ka ampidirina am-ponja araka ny hirahiran'ireo mpomba ny filohan'ny tetezamita ? Ara-politika dia samy tsy mety amin'i Andry Rajoelina ireo safidy roa ireo satria tsy maintsy hampisongadina foana an'ilay filoha naongany ary mety hampitombo hatrany ny fitiavan'ny olona ity farany. Izay antony izay indrindra no mahatonga ny mpanao politika sasany milaza fa aleo aloha hijanona any Afrika any i Marc Ravalomanana fa tsy tokony hiverina eto; dia io hoe resaka savorovoro io foana no hevitra aroson'izy ireo ka hisakanana ny fodian'ity filoha teo aloha ity. Ankoatra izay moa dia samy mahafantatra tsara koa ny mpanao politika, mandritra ny fitsidiham-paritra ataon'izy ireo, manerana ny nosy fa tena mbola misy maro be ny olona manantena an-dRavalomanana, ary vonona ny hifidy azy raha kandida izy. Mety ho izay no mahatonga azy ireo, misoroka avy hatrany ka mitady ny tetika rehetra hanakanana ny fidiran'ingahy Ravalomanana eto. Raha tonga eto mantsy izy dia mety 1er tour indray dia ...vita e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.