Politique

Marc Ravalomanana Matanjaka amin’ny serasera


  • Talata 06 Septambra 2011

Manana tombony amin’ny resaka serasera, fifandraisana amin’ny any ivelany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha ny zava-nitranga tato anatin’ny telo taona latsaka kely izay no jerena.

 Voafehiny ny resaka serasera ary orinasa vahiny iray matanjaka mihitsy no miara-miasa aminy momba izany. Mahavita azy ireo filoha mirahalahy teo alohany, fa avy atsy Afrika Atsimo no tena kitro hifaharan’ny tetikadin’ny Ankolafy 3 mandritra izao krizy izao, ka Atoa Ravalomanana no mandray anjara betsaka amin’ny fiketriketrehana izany, izy rahateo efa manana traikefa satria sady nitantana orinasa anisan’ny goavana aty Afrika, no nitondra firenena nandritra ny enin-taona sady mbola mahalala tsara ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan ’ireo mpandraharaha malagasy itokisan’ny mpamatsy vola izy efa hatramin’ny taona 80. Hentitra amin’ny fomba fiasa ingahy Ravalomanana, mahalala tsara izany ireo efa nifampikasoka taminy. Tsy resabe fotsiny aminy ny hoe manara-penitra fa tena tanterahany ara-bakiteny. Tombony lehibe ho azy ny fahasahiany rehefa manao zavatra, izy rahateo miavaka sy hafa ny filôzôfiam-piainana, hany ka sarotra ny mamantatra mialoha ny zavatra ataony, tsy tahaka ny an’ny rehetra ny fomba fiasany. Sahirana manoloana izany ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina satria mbola manandranandrana no sady tsy ampy traikefa sy haizatra amin’ny fitantanana firenena sy fifandraisana amin’ny any ivelany. Maro be ireo mpanao politika sy teknisianina ao anatin’zao fitondrana tetezamita izao, saingy tsy mety mahatafavoaka ny baolina satria maro be ny zavatra tsy ampy sy tsy mety ary tsy araka ny tokony ho izy amin’ny ataon’izy ireo. Araka ny fandinihan’ny maro dia ireo olona very seza, na efa tsy nahavita azy ka voaroaka no mibosesika ao anatin’izao FAT izao ; dia io iaraha-mahita io ny vokany. Mila lazon’ady izao raharaha mitranga eto Madagasikara izao, ary tena manana tombony lavitra ireo izay efa nitondra firenena sy mahay mampiasa araka ny tokony ho izy ny serasera.

Tombony ho an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fiarahany miasa amina mpandinika sy manampahaizana amin’ny sehatra maro, na Malagasy izany na vahiny ary misy antony manokana ny nisafidianany ireo misolotena azy mifampiraharaha any ivelany, tahaka an’Atoa Henri Roger Ranaivoson, mpampianatra mpikaroka momba ny fitantanan-draharaham-panjakana any amin’ny oniversiten’i Québec Canada, mahalala tsara ireo mpitondra, mpanao politika sy diplaomaty any ivelany, efa Chief of staff teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ary anisan’ireo Malagasy tena manampahaizana. Ohatra iray monja iny fa mbola maro be ireo miara-miasa sy mifanerasera amin’ity filoha teo aloha ity amin’ny fandrafetana paikady hamahana ny krizy sy hahafany miverina eto Madagasikara.

Raha miresaka ny ao amin’ny FAT kosa isika dia efa maromaro ihany ireo iraka manokana nalefa tany ivelany izay saingy tsy nahavita na inona na inona, voalohany tamin’ireny Atoa Ny Hasina Andriamanjato, teo koa ny praiminisitra Camille Vital, ny minisitry ny raharaham-bahiny roa nifandimby, Hippolyte Ramaroson sy Rtoa Yvette Sylla, Atoa Norbert Lala Ratsirahonana sy ireo mpanao politika maro. Fehiny dia izay tena mahay mitrandraka io serasera any ivelany sy eto an-toerana no hahazo tombony amin’izao fifandirana politika misy eto izao ary mety ho tafiakatra eo amin’ny fitondrana amin’ny Repoblika faha-IV raha manaraka ny lojika tsara ny fizotry ny raharaha fa tsy misy zavatra hafahafa mitranga.

 

RTT

 

Sary : Marc Ravalomanana nikaon-doha tamin’ireo mpiara-dia aminy nandritra ny dinika tany Gaborone ny volana jona 2011.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT