Ny orinasany akatona, ny tenany hitadiavana hevitra andro aman’alina mba tsy ho afaka mirotsaka hofidiana filoham-pirenena.Niakatra ho 2 ny isan’ny omby maty ao amin’ny AAA Tiko Andranomanelatra. Hita ho tena miha mafy ny antsojay atao amin’i Marc Ravalomanana sy izay rehetra mifampikasokasoka aminy
.Re fa mandeha ny fivoriana isan-tsokajiny mba hikaroham-bahaolana hoenti-mivoaka amin’izao henjika sy antsojay tsy an-kitsitsy izao, ka lasibatra voalohany ny orinasa AAA-Tiko, iasan’ny Malagasy an’arivony. Tandindonin-doza ihany koa ny ho avy politikan-dRavalomanana, izay tsy mipetra-potsiny fa efa tena miasa mangina mikaro-bahaolana eo anatrehan’ny zava-misy. Tsy hay aloha izay mety ho valin-kafatra avy amin’i Marc Ravalomanana, fa ny azo antoka dia misy fetrany ny fandeferana eo anatrehan’ny famotehana azy amin’ny lafiny rehetra na ara-pandraharahana io na ara-politika. Ny fanambarana politika mety hataony ato ho ato no hamaritra sy hahafantarana, izay mety ho tohin’ ny raharaha. Efa tohanam-potsiny ny olona tsy hitroatra, hoy ny solombavambahoaka iray eo anatrehan’ny zava-misy, etsy ankilan’izay, efa nambaran’i Marc Ravalomanana rahateo fa tsy izy mihitsy no hitarika krizy eto amin’ny firenena. Mazava be fa hararaotin’ny fanjakana HVM mafy izay tsy fitiavany korontana izay; rangitina sy vao mainka somparana andro aman’alina izy, saingy mbola miezaka mampandefitra ny hambom-pony. Rehefa feno anefa ny kapoaka, hoy ny fitenenana, dia tsy maintsy hitobaka ihany, ka tsy hay izay zavatra mety hiseho ato ho ato satria manomboka mangotraka ny toe-draharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.