Politique

Marc Ravalomanana Manomana ny fodiany an-tanindrazana


  • Alarobia 05 Septambra 2012

Tafajoro ao Mahajanga, renivohitry ny Faritra Boeny, ny alahady 02 septambra teo, ny Vondron'olon-tsotra (VOT) manohana ny filoha Marc Ravalomanana sy mitaky ny fitondrana ara-dalàna.

 Niditra mivantana nifampitafa tamin'ireo vahoaka tao an-toerana Atoa Filoha Marc Ravalomanana, nampahery sy nitondra vaovao tsara ho fantatra ho an'ny Malagasy tsy ankanavaka. Nambarany tamin'izany fa eo am-panomanana ny fodiany aty an-tanindrazana izy sy ny SADC ary notsindriany mafy fa tsy misy adihevitra intsony ny mahakasika izay sy ny firotsahany hofidiana filoham-pirenena, na dia mbola misy aza hatramin'izao ireo sakana izay ataon'ny sasany vitsy an’isa. Nohamafisiny tamin'izany koa ny fanambarana nataon'ny SADC mikasika ny fahafahana ny asa fanaovan-gazety mba ho antoky ny demokrasia marina ahazoan'ny malagasy tsivakivolo vaovao marim-pototra manerana ny nosy. Mbola nohamafisiny ny tsy hisian’ny fiantsiana sy ny fifanaratsiana ary fifanenjehana intsony eto amin'ny firenena mba ho antoky ny fitoniana sy fiandrianam-pirenena araka ny soatoavina maha Malagasy. Nanao antso avo ho an'ny vahoaka malagasy ihany koa izy mba hitrotro am-bavaka ny firenena fa Andriamanitra irery ihany no tompon'ny hery sy ny fanapahana ny zava-drehetra ary tano ny mafy ny firaisankina mariky ny fifankatiavantsika samy Malagasy.

Tetsy an-kilany kosa nanome toky azy ny Vondron'olon-tsotra ao Mahajanga fa tsy hivadi-belirano aminy ary vonona hanohana azy hatramin'ny farany ary vonona hamerina azy amin'ny fitondrana. Tiana ihany koa ny mampahafantatra fa niditra mivantana nitondra fankaherezana ho an'ireo mpikambana VOT Mahajanga ny filoham-boninahitry ny VOT, Atoa Darsot Gilbert. Notsindriany tamin'izany fa isika vahoaka ifotony dia tsy tokony hiraviravy tanana eo anoloan'ireo tsaho aelin'ireo andian'olona vitsy an’isa. Mila mandray andraikitra isika fa manan-jo isika ary afaka maneho izany amin'ny alalan'ny fifidianana izay olona tiantsika hitondra ny firenena malagasy.

Marihana fa Faritra faha-16 amin'ny faritra 22 eto Madagasikara ny fitsanganan'ny VOT ao Mahajanga renivohitry ny Faritra Boeny ary mbola mitohy hatrany ny hetsika ataon'ny Vondron'olon-tsotra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT