Politique

Marc Ravalomanana Mankahery ireo niharam-boina, niantso ho amin’ny fifanampiana


  • Alakamisy 16 Febroary 2012

«Tsy hitako izay fomba hilazako ny alaheloko noho izao voina mihatra amin’ny firenena sy ny Malagasy izao», hoy i Marc Ravalomanana raha niditra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy atsy Afrika Atsimo nandritra ny hetsiky ny mpomba ny ara-dalŕna tao amin’ny Magro Behoririka.

. Naneho ny fiaraha-miory sy ny fankaherezana ho an’ny Malagasy, indrindra ireo niharam-boina ny tenany. Sitrapon’ny mpanao politika, hoy izy, no mahatonga ny krizy politika izay efa tsy hita izay hanaovana azy, ny rivodoza kosa dia kapoka sy hafatra mahafaty. Nambarany fa niantso ireo mpamatsy vola sy ireo firenena afaka hanome tanana amin’izao fahavoazan’i Madagasikara izao ny tenany, araka ny fanazavana. Nisy, hoy i Marc Ravalomanana ireo nilaza fa hijery izay azony hanampiana, nisy koa anefa ireo niteny fa tsy maintsy miera eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena noho ny sazy mihatra amin’i Madagasikara noho ny fanonganam-panjakana nisy teto.

Nanao antso ho an’ny Malagasy ny tenany manoloana ny krizy politika misy eto amin’ny firenena. «Rehefa mifamela, mifanazava sy mifanaiky dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’ny Malagasy. Tsy fotoana hifanaratsiana na hifankahalana izao. Miantso ny mpanao politika aho hamela ny hambom-po fa hijery izay hanampiana ireo tra-pahavoazana amin’izao fotoana izao», hoy ihany ny filoha Ravalomanana. Tsy maintsy miainga avy amintsika samy isika ny fifanampiana, hoy ihany izy. Nomarihiny fa ny fandalovan’iny rivodoza Giovanna iny dia manapotika fiainana mandritry ny taona. Ohatra nalainy tamin’izany ny fahavoazana mahazo an’Andovoranto, Beloha, Antsirabe, Miarinarivo, Tsiroanomandidy raha tsy hiteny afa-tsy ireo kanefa dia faritra mpamokatra avokoa ireo ary dia simba noho izany ny taom-pamokarana. Nampanantena ny filoha fa hanao izay efany amin’ny fitadiavana izay hanampiana ireo mpiray tanindrazana.

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT