«Rehefa tonga any izahay vao tafaverina ny fankatoavana iraisam-pirenena».
Nohamafisin'i Marc Ravalomanana ny sabotsy 31 desambra lasa teo izany raha nifandray tamin'ny alalan'ny antso an-tariby niainga avy tany Afrika Atsimo ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy tetsy amin'ny Magro Behoririka. Tsy sanatria mampitamby izahay akory, hoy izy fa izay no marina ary mazava ny fehin-kevitry ny filankevitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana na ny CPS. Momba izay fankatoavana iraisam-pirenena izay moa dia nambarany fa arakaraka ny fampiharana ny sori-dalana no hanesorana ny sazin'i Madagasikara ary hahatongavan'ny fankatoavana iraisam-pirenena. Sao diso fanantenana ny sasany, hoy izy ka milaza fa azo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Fihetsika ara-diplomatika ihany ireny fa ny hamantarana azy dia hoe tafaverina ve ny vola avy amin'ny Vondrona Eoropeanina ? «Ny fiverenanay any Madagasikara tsy misy fepetra no vahaolana amin'izao krizy mianjady amin'ny firenena izao», hoy ihany ny filoha Ravalomanana izay nanamafy hatrany fa hody izy na misy sakana toy ny NOTAM na tsy misy. «Na ahoana na ahoana, tsy hihemotra intsony fa ho avy izahay. Hody aho ary hody tsy ho ela», hoy izy.
Nambarany fa efa misy ny dinika hifanaovany sy ny fitondrana Afrikanina Tatsimo izay nampiantrano azy nandritry ny telo taona. Ankoatra ny vahoaka Malagasy izay miandry ny fiverenany izay, dia voalaza ihany koa fa na ireo mpamatsy vola sy firenena vahiny mpiray ombon'antoka aza dia maniry ny fivereneny tsy misy fepetra aty Madagasikara. Vonona ny hanarina ny firenena ny tenany, araka ny fanazavana ihany. Samy miara-mahita manko, hoy ihany ny filoha fa tsy nisy asam-pampandrosoana vita izany teto na dia iray aza, ary tsy nisy tombontsoa azon'ny Malagasy afa-tsy olom-bitsy. Na ny voka-bary aza dia nitontongana, raha ny fanazavany ihany, ary ny vola fanampiana tsy misy intsony koa. «Tsy handatsa aho fa mila fahaiza-manao ny fitondrana ny firenena, eo koa ny fahaiza-mifandray amin'ireo firenena matanjaka.
Nanandrana, nitsapatsapa ny sasany ary naka tahaka nanao ny fihetsika nataoko », hoy ihany izy ary dia mampitsanga-menatra ny zava-misy eto amin'ny firenena. Nanambara ihany koa i Marc Ravalomanana fa tsy matahotra ny fitsarana izay mitanila sy mitongilana. Mila fanadihadiana manokana aho, hoy izy fa ampy izay ka mila mandini-tena tsara. Niantso ireo misakana ny famohana ireo haino aman-jery sy ny famoahana ireo gadra politika koa ny tenany mba hijery tsara satria dia hanody ny taranaka izany. Amin'izao taona vaovao izao moa dia tsy nohadinoin'ny filoha ny nankahery sy nirary soa ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka,
Nangonin'i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.