Politique

Marc Ravalomanana Manetsika ny mpiara-dia aminy


  • Zoma 25 Janoary 2019

“In-dray mandeha no manta vary ka tsy handevin-tsotrobe”, hoy ilay fomba fiteny Malagasy.

 

 Maneho izany i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia ao anatin’ny TIM sy K25 amin’izao taorian’ny fifidianana filoham-pirenena feno lesoka sy tsy fahamarinana, saingy nisy ny fandeferana lehibe natao. Mihetsiketsika ny TIM ankehitriny ka na vita aza iny ny fifidianana filoha dia mitohy foana ny fiainan’ny antoko sy ny fiainam-pirenena. Tsy mamela ireo mpiara-dia ho irery i Marc Ravalomanana ary tsy arakaraka ny teny feno fanesoana nataon’ny an-daniny amin’ny efa handeha hisotro ronono fa maneho hatrany fa an’ny vahoaka Malagasy sy tena akaiky azy izy. Tao anatin’ny andro vitsy dia nitafa sy nihaona tamin’ny vahoakan’Antsirabe i Marc Ravalomanana. Nanao adidy amin’ny firenena tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny rehetra, izay notontosaina tao Mahafaly Vatofotsy izy mivady omaly. Samy naneho ny fihetseham-pony daholo ny olona rehetra nihaona tamin’i “dada”. Tao ny faly ary tao ihany koa no latsa-dranomaso,... Tsy maty ao ampon'ny olona ny fitiavana azy. Sady fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona 2019 niarahan’i Marc Ravalomanana mivady sy ny vahoakan’Antsirabe ny fotoana omaly, ka nandritra izany no nanolorany omby matavy miisa 4 ho nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny vahoaka. Notoloran’ny K25 sy ny TIM Antsirabe ondry matavy kosa izy mivady ho mari-panajana sy fankasitrahana. Anio dia hisy ny fihaonana hatao eny amin’ny Magro Tanjombato, ka andrasana izay ho toromarika avy amin’i Marc Ravalomanana sy ny zavatra mety hataon’ny Antoko Tiako I Madagasikara. Ny azo antoka dia miomana fatratra amin’ny amin’ny dingana manaraka ny TIM, ka efa nanentana mpiara-dia rehetra amin’ny fiatrehana ny fifidianana isan’ambaratongany tsy ho ela dia ny fifidianana Solombavambahoaka, Ben’ny tanàna,… I Marc Ravalomanana. Entano dieny izao ny mpiaramonina hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana izay efa nisokatra nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana desambra 2018, hoy izy. Marihina fa ny faran’ny volana febroary izao no hifarana ny fahafahana manamarina sy manoratra anarana eny amin’ny fokontany”. Miaina ary tsy ho voagejan’ny mety ho tsy ho fahombiazana sy ny kajikajy maloton’ny fifidianana filoha teo ny TIM, ka tsy hilavo lefona fa vonona hiatrika ny ho avy sy hampiseho ny heriny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT