Politique

Marc Ravalomanana Mandeha ny fanilo miampita


  • Talata 02 Aprily 2019

Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny Antoko Tiako I Madagasikara Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo, fa tanjon’ny TIMK25 ny hamerenana indray ny hasin’izany hoe antenimieram-pirenena izany.

 

 

Izay no ahafahana manome ny toeran’ny fanaovana politika eto Madagasikara satria izy ireo no mamolavola sy mametraka ny ny lalàna hoentina hanasoavana ny distrika niaviany tsirairay avy eto Madagasikara. Ny faniriana ao anatin’ny antoko TIM dia ny hamerenana ny hasina. Misy mihitsy ny etika sy ny fitsipika anatin’ny antoko fa ny ao anatin’ny TIM dia hiezaka hampivondrona ireo antoko politika ireo mba samy hanaja sy hametraka ny hasiny mba hanjakan’ny demokrasia, indrindra hahafahan’ny mpanatanteraka manao ny asa izay andrasan’ny vahoaka, raha ny nambarany. Tsy misy dikany raha tsy miasa ireo mpanara-maso ireo. Hanomboka hanao fanovana lehibe ny TIM satria hiaraka amin’ny antoko lehibe any ivelany, izay fantatra amin’ny fanajana ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra sy hiteny ankalalahana. Eo ihany koa ny famolavolana ny tanora dieny izao. Himasoana ny fiaraha-miasa amin’ny tanora, ka hokojakojaina sy hokolokoloina ary hotarihina amin’ny lalana tokony hizorany. Manomboka izao, hoy i Marc Ravalomanana, dia homena ny hasiny maha izy azy ny tanora sy ny vehivavy, ary homena sehatra hahafahany maneho ny heviny. Manan-kevitra ny tanora, ary manana ny ho avy lehibe. Tsikaritra amin’izao fifidianana depiote izao, fa mirona tsikelikely amin’ny fanomezana toerana sy andraikitra ho an’ny tanora i Marc Ravalomanana sy ny TIMK25. Manampahaizana 175 moa no voalaza fa nalefa niofana momba ny politika madio manaja ny demokrasia tany ivelany, ka hizara ny traikefany eto Madagasikara izy ireo. Manana tombondahiny amin’io ny tanora.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT