Tsy mitsahatra ny mikaroka sy mandalim-pahaizana hatrany Atoa Marc Ravalomanana izay efa nilaza fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018.
Nisy ny fiaraha-miasa sy fandalinam-pahaizana momba ny serasera sy ny politika niarahany tamin’i Dr Brian Klaas izay mpampianatra any amin’ny oniversiten’i Oxford sy London School Economy. Araka ny fantatra moa dia mpanolotsaina manokan’ny solombavambahoaka Guy Rivo Randrianarisoa ity manampahaizana ity. Nandalina ny politika sy tantara tany amin’ny Carleton College – Minnesota Etazonia i Dr Brian Klaas ny taona 2008 avy eo nanohy ny fianarany tany St. Antony’s College –Oxford (2013) sy New College-Oxford (2015). Maro ny fikarohana sy fanadihadiana efa nataony ka nahafahany niresaka tamina mpanao politika, diplaomaty, mpioko mitam-piadiana, mpanao gazety tamina firenena maro, anisany i Madagasikara, Thailande, Tonizia, Cote d’Ivoire, Zambia …
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.