Politique

Marc Ravalomanana Manao «lobbying» mafy any ivelany


  • Talata 27 Septambra 2011

Tsy mipetra-potsiny fa tena miasa ho amin’ny famahana ny krizy ny filoha Marc Ravalomanana, ka mety hisy ny fitsidihana firenena maromaro ataony, araka ny tsiliantsofina re

 Ny eto Afrika aloha no tena hitrangan’izany, saingy tsy ferana ihany koa ny mety hihaonany amina tompon’andraikitra ambony hafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha araka ny loharanom-baovao re ihany. Voasonia ilay sori-dalana ary nanana solontena nanasonia izany tao avokoa ireo Ankolafy politika afa tsy ny Ankolafy Ratsiraka. Raha ny tena izy anefa dia tsy maintsy hisy ihany ny fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny Ankolafy efatra. Eto Madagasikara no voatondro fa mety hanatanterahana azy io ary mazava ho azy fa tsy maintsy ho avy hanatrika izany ireo filoha mirahalahy mbola any ivelany amin’izao fotoana.

Raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy dia mety misy ifandraisany amin’izany ny fihetsiketsehana ataon’Atoa Ravalomanana any ivelany any. Mazava ny resaka eto fa tsy maintsy miova kely ny paikady politika taorian’ny nahafahan’ny filohan’ny FAT nikabary manoloana ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany New York sy ny nihaonany amina tompon’andraikitra eorôpena any Frantsa. Hita sy tsapa mantsy fa manomboka maka toerana tsimoramora eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny filohan’ny FAT ary mandresy lahatra ireo mpiara-miasa amintsika any ivelany fa izy no mitantana ny tetezamita ary vitany samirery izany. Koa raha matoritory ireo filohana ankolafy politika hafa, tahaka ny ao amin’ny Ankolafy telo dia mety ho rava ho azy ny fifanarahana tao amin’ny sori-dalana satria rehefa miala ny sazy ka miverina ny famatsiam-bola avy any ivelany dia malalaka ny lalan’ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina ary mety tsy dia hitombina intsony amin’izay fotoana izay ilay hoe tsy maintsy tetezamita iaraha-mitantana no atsangana eto.

Tsy maintsy mihetsika manao «lobbying» any ivelany milaza ny zava-misy marina sy ny ahiahy ateraky ny tetezamitan’ankolafy tokana, araka izany, ny ankolafy mpanohitra sy ireo tsy mankasitraka ny FAT ka azo antoka fa izany no anton’izao karazana fitsidihana firenena maro ataon’ny filoha Marc Ravalomanana izao. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny firenena na tompon’andraikitra iraisam-pirenena mety hihaona sy hifampiresaka aminy. Raha ny vinavinan’ny mpanara-baovao kosa anefa dia azo antoka fa tsy maintsy hihaona amin’ireo filoha telo mirahalahy ao amin’ny Troika Atoa Ravalomanana, ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma aloha dia efa tafaresaka taminy, ka ireo roa ambiny izany sisa no mety hatoniny. Mandeha ihany koa ny feo fa mety hisy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Vondrona Afrikanina hihaona aminy. Ho hita eo ihany moa ny ho akon’izany fihetsiketsehana rehetra izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT