Politique

Marc Ravalomanana “Manan-danja ny depiote”


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Efa niaraha-nahalala tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny filaharan’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

Ho an’ny antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM, raha ny eto Antananarivo Renivohitra manokana dia mitana ny laharana voalohany ao anatin’ny bileta tokana Rtoa Hanitra Razafimanantsoa ao amin’ny Boriborintany voalohany; mitana ny laharana faha-9 Atoa Stanislas Randrianarisoa ao amin’ny Boriborintany faharoa; laharana voalohany Atoa Feno Ralambomanana ao amin’ny boriborintany faha-3; laharana faha-4 Atoa Emilien Ramboasalama ao amin’ny boriborintany faha-4; laharana faha-4 Atoa Fetra Ralambolazafimbololona ho an’ny Boriborintany faha-5, ary laharana voalohany kosa Atoa Todisoa Andriamampandry ao amin’ny boriborintany faha-6. Nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny kandidan’ny boriborintany voalohany Hanitra Razafimanantsoa sy ny ekipany no nilazan’i Marc Ravalomanana, fa ireo kandida natolotry no antoko no nahazo tsodrano taminy sy tohanany. Tsy mipetra-potsiny ny TIM, fa tena manomana sy manamafy ny fahamatorana ara-politikany, ka nisy ny fampiofana sy fanomezana toromarika ireo kandida ny faran’ny herinandro teo. Hanao izay araka izay azo hatao isika mba hametrahana ny demokrasia eto Madagasikara, mba hametrahana ny hasin’ny antoko politika, hoy i Marc Ravalomanana, raha nandray ireo kandidan’ny TIM avy amin’ny Faritanin’i Toamasina 12 isa. Tanjona raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana ny haha matihanina ny antoko ka hanajana ny etika politika sy ny fitsipiky ny antoko. Haka ireo manam-pahaizana avy any ivelany avy any Afrika sy Eoropa ary Amerika, tena mahalala ny atao hoe demokrasia sy ny fahalalahan’ny fahafahana maneho hevitra. Tsy maintsy hofaninana ireo olom-boafidy amin’ny antoko TIM mba tsy hivaona, ary hahalala ny andraikitra sy ny iraka ampanaovina azy.  Efa hatrizay ny i Marc Ravalomanana sy ny TIM no nanome hasina ny depiote izay manana andraikitra saropady tokoa eto amin’ny firenena amin’ny maha fahefana mpanao lalàna azy .Iaraha-nahita rahateo ny zava-nitranga tamin’ny herintaona fa ny hetsiky ny solombavambahoaka 73 no notohanan’ny vahoaka ka naha resy tosika ny fitondrana HVM.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT