Politique

Marc Ravalomanana Mampanantena «kits scolaires» sy akanjo ho an’ny mpianatra


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Nivoitra io raha tafaresaka mivantana an-telefaonina tamin’ny mpomba azy tao Manakara ny Filoha Marc Ravalomanana ny alahady 11 septambra teo, tao amin’ny SIDI Hotel sady nampahafantarana ny zava-misy marina manoloana ny fihazakazaky ny toe-draharaha eto Madagasikara, mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka.

 Afaka niresaka nivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana moa ny rehetra tao, tamin’io fotoana io, ka nisy ireo nametra-panontaniana ny amin’ny fiverenany an-tanindrazana, tao ireo nitaraina amin’ny fahasahiranana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Ity farany moa dia novaliany fa efa manomana «kits scolaires» sy «blouse» na aron’akanjo ho an’ny ankizy izy izao. «Fantatro ny fahasahirananareo ray aman-dreny amin’izao fotoana fampidirana mpianatra izao”, hoy izy.

Nahatsiaro afa-po tamin’ny fanazavan’ny Filoha Ravalomanana tokoa ireo vahoaka an-jatony tonga nivory tao amin’ny SIDI hotel tamin’io alahady io. Nohazavain’ny filoha tamin’ny antsipirihany mantsy ny zava-misy sy ny ezaka ataony hamoahana ny Malagasy amin’izao fampahoriana sy fampahantrana mianjady aminy izao. Maro amin’ireo vaovao mitranga aty an-drenivohitra sy any ivelany mikasika ny famahana ny krizy rahateo no tsy fantatry ny vahoakan’i Manakara. Misy ny dingana tanterahina ataon’nireo mpanelanelana avy ao amin’ny SADC amin’ity herinandro miditra ity, hoy ihany ny Filoha Ravalomanana, ka miankina amin’ny tatitra hataon’izy ireo no hahafahana mahafantatra ny fanapahan-kevitra horaisina. Nampanantena moa ny tenany fa hiresaka mivantana amin’ny vahoaka hatrany mampahafantatra ny vaovao marina sy tokony ho fantatra.

Hyace R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT